Vono olona feno habibiana – Feno herintaona ny nahafatesan’i Nanah
Herintaona, omaly 10 may ny namonoan’ny sasany ilay tovovavy antsoina hoe Nanah, teny Mausolée. Efa eny amin’ny fonjan’ny Tsiafahy ilay nahavanon-doza ary miandry ny fitsarana azy, rehefa tratra teny aminy ny môtô skotera sy ny karapanondron’i Nanah, ny harivan’ny 11 may. Rehefa noterena hanoro ny misy an’io tovovavy io izy tamin’io fotoana io dia hita teny Mausolée ny vata-mangatsiakany, tokony ho tamin’ny 9ora alina tany ho any. Araka ny loharanom-baovao avy amin’ny havan’ny maty, mbola tsy hita ny fitaovana sasany teny amin’ilay tovovavy hatramin’izao ary manantena izy ireo fa mbola mitohy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana mba ahitana ny marina rehetra satria mino izy ireo fa misy olon-kafa afenina mafy sy arovana ambadik’io famonoana io.
Ho fahatsiarovana an’i Nanah sy ho fanaitairana ny rehetra mba ho mailo hatrany sy handray andraikitra manoloana ny tsy fandriampahelemana mahery vaika amin’izao fotoana dia hisy ny fanompoam-pivavahana hotanterahina eny amin’ny fjkm Ambonin’ampamarinana, izay fiangonana nandraisana azy ho mpandray ny fanasan’ny Tompo, amin’ny sabotsy 14 may ho avy izao, amin’ny 4ora tolakandro.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







