Vous êtes ici :

Samedi 20 Décembre 2025

ombre

Taolagnaro – Trano 107 may, vehivavy iray maty kilan’ny afo

Nandravarava ny afo tany Taolagnaro, omaly maraina, tokony ho tamin’ny 3ora sy sasany

ary tsy maty tanteraka izany raha tsy efa nipaika ny tamin’ny 5 ora maraina. Afo niainga avy ao amin’ny tokantranon’ny vehivavy mitaiza kely iray no nahatonga ny afo ary niparitaka tamin’ny trano miisa 106 teo amin’ny tanànan’Amparihy. Vokany, maty tsy tra-drano ilay vehivavy ary rava tsy nisy noraisina intsony ny tanàna. Araka ny loharanom-baovao dia mipetraka irery ilay vehivavy sy ny zanany izay vao roa volana monja. Vao nanomboka ny fahamaizana dia samy nikoropaka nanavotra ny ainy nivoaka ny trano ny rehetra. Nisy ny nitondra ilay zaza menavava nivoaka fa ilay reniny 25 taona kosa taraiky tao. Na niezaka nanavotra aza ny fokonolona dia tsy tafavoaka izy fa may kila toy ny hena natono. Araka ny fampitam-baovao voaray hatrany dia ny fitsokan’ny rivotra mahery sy ny fahateren’ny lalana niditra tany amin’ny toerana misy ny loza no nahapotika ilay tanàna. Niezaka araka izay tratra namono ny afo ny mpamonjy voina eo anivon’ny kaominina sy ny orinasa Qmm ary ny Adema fa tsy nahafehy izany.

Tsy io ihany anefa fa tokony ho tamin’ny 7ora sy sasany maraina teo dia trano iray tany amin’ny fokontany Amboanato-Befilao no kila hotohoton’ny afo. Raha atambatra noho izany dia miisa 107 ny trano may ary mahatratra 423 ny isan’ny olona traboina any Taolagnaro.

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre