« Ainga vaovao ho an’ny malagasy sy Bénévolat à Madagascar » – Famoronana asa ho an’ny renim-pianakaviana sahirana
Tsy mbola mipaka hatrany ifotony ny fanofanana arak’asa eto Madagasikara, izay makasika indrindra ny maro amin’ireo olona sahirana satria tsy mahafeno ny fepetra takian’ny orinasa. Anton’izany ny mbola mahabetsaka ny isan’ny olona tsy an’asa any ambanivohitra. Voakasik’io tsy fananan’asa io ny ankamaroan’ny mponina eny Ambohimahitsy indrindra ireo renim-pianakaviana. Mba hanarenana ny fiainan’ny mponina, eny an-toerana àry dia nanapa-kevitra ny fikambanana Tafita nanangana ny tetik’asa “Ainga vaovao ho an’ny Malagasy et Bénévolat à Madagascar”.
Tsy mahafeno ny fepetra takian’ny orinasa ireo sahirana
Tsy takona afenina fa mitombo isa hatrany ireo Malagasy tsy an’asa ary ireo sahirana ara-pivelomana no tena betsaka. Singa lehibe mahatonga izany ny tsy fahafenoan’izy ireo ny fepetra takian’ny orinasa na ny diplaoma izany na ny traikefa hoenti-miatrika asa. Raha ho an’ny fokontany Ambohimahitsy, kaominina Ambohimangakeky, distrikan’Avaradrano manokana, izay fokontany isan’ny be mponina indrindra ao anatin’io kaominina io dia maro ny tsy an’asa na ny ray na ny renim-pianakaviana ka misy fiantraikany any amin’ny tontolon’ireo zaza madinika satria tsy ampy ny vola raisina. Miovaova ny fidiram-bolan’ny mponina eny an-toerana ka matetika asa an-tselika no atao ka manjary tsy afa-mampianatra ny zanany ireo ray aman-dreny sasany.
Voatery manampy ray aman-dreny ny ankizy
Tombony ho an’ny fokontany Ambohimahitsy ny fananana “carrière”-vato, izay tena mampalaza iny toerana iny. Na eo aza anefa izany dia misedra olana hatrany ireo mponina satria tsy mahavelona ireo mpikarama madinika intsony ny karama raisina amin’ny fikapohana vato isan’andro. Araka ny fantatra, 1200 ariary isaka ny gamanta ny karama anefa roa gamanta ihany ny vitan’ny olona iray isan’andro, izay tsy mifanaraka amin’ny vidim-piainana intsony. Vokany, vitsy kely ireo ankizy mandeha any an-tsekoly, indrindra ny zanak’ireo mpikapoka vato fa voatery manampy ireo ray aman-dreny miasa.
Tetik’asa “Ainga vaovao ho an’ny Malagasy et Bénévolat à Madagascar”
Misy amin’ireo tsy an’asa eny an-toerana ireo ny vehivavy miteraka tsy manam-bady sady tsy nandia fianarana. Saika ny fianakaviana sahirana hatrany no ahitana izany, araka ny fanadihadiana nataon’ny fikambanana Tanora ho an’ny fivoaran’ny tanindrazana na Tafita. Hanarenana ny fiainan’ireo sokajin’ olona marefo ara-pivelomana ireo no antom-pisian’ny tetik’asa “Ainga vaovao ho an’ny Malagasy et Bénévolat à Madagascar”, eny amin’ny fokontany Ambohimahitsy. Tetik’asa hamoronana asa indrindra asa tanana ho an’ireo reny sahirana ara-pivelomana, hanokafana akanin-jaza mba hahafahan’ireo ankizy ireo mianatra, mba mandia garabola.
Asa sosialy mitaky fanovana ny fiainan’ny mponina
Efa am-perinasa tanteraka ny « Bénévolat à Madagascar » amin’izao fotoana izao. Nijoro ara-panjakana tamin’ny volana jona 2015, araka ny didy hitsivolana 60-133 ny 03/10/1960. Asa sosialy mitaky ny fanovana ny fiainam-piarahamonina mba handroso no ataon’ny tetikasa. Mba hahatontosana izany dia atao tanjona ny famerenana ny akanin-jaza na garabola izay natokana ho an’ny ankizy mahantra ao amin’ny fokontany Ambohimahitsy amin’ny taom-pianarana ho avy. Manodidina ny 50 hatramin’ny 60 isa ireo ankizy herintaona ka hatramin’ny 6 taona hobeazina ao. Efa misy ny fandraisana an-tanana azy ireo ankehitriny dia ny fanomezana sakafo isan-kerinandro satria tratran’ny tsy fahampian-tsakafo ireo zaza ireo. Misy ihany koa ny fitaizana ara-panahy sy ny fibeazana miaina, izay omena mba ho lasa olom-banona izy ireo. Eo amin’ny 30 isa eo kosa ireo renim-pianakaviana, hofanina ho mpitarika sy kristianina mpitantana.
Tsipaipaika ny hampandehanana ny tetikasa
Manan-jo hianatra, hisakafo ary koa hilalao tahaka ireo ankizy mitovy aminy ireo ankizy avy amin’ny fianakaviana sahirana ireo. Saingy noho ny tontolom-piarahamonina iainany dia tsy afaka misitraka izay zony izay izy ireo. Hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanomanana ny ho avin’ireo tsy manan-tsiny ity tetik’asa ity. Hatramin’ny nijoroan’io “Ainga vaovao ho an’ny Malagasy et Bénévoles à Madagascar” io kosa anefa dia mbola tsipaipaika ataon’ny mpikambana no ampandehanana izany. Eo anatrehan’izany dia mitady mpiara-miombon’antoka hanampy azy ireo amin’ny famitana ny tetik’asa ny fikambanana Tafita. Tafiditra ao anatin’izany ny fotodrafitrasa ilaina mifanaraka amin’izany, izay mahatratra any amin’ny 40 tapitrisa ariary.
Miora, 23 taona, manan-janaka telo
Ho an’ny Miora izay vao 23 taona monja dia nanamaivana azy ny fisian’ny tetik’asa natsangan’ny fikambanana Tafita. Renim-pianakaviana manan-janaka miisa 3, tsy misy fidiram-bola mihitsy i Miora nefa ny vadiny miasa an-tselika, manamboatra fitaovana elektrika, amin’iny fokontany Ambohimahitsy iny. Indraindray tsy mahita karama mihitsy ka matetika tsy mihinana izy ireo. Manoloana ny fahasahiranana ara-bola mihatra amin’izy ireo izay dia tsy afaka mampianatra ireo zanany i Miora na dia eo aza ny faniriany te-hampianatra azy ireo. Amin’izao mantsy misakafo ara-dalana ireo zanany ary mitafy tsara ihany koa, noho ny tetikasa “Ainga vaovao ho an’ny Malagasy et Bénévolat à Madagascar” io. I Miora ihany koa manana asa ara-dalana amin’ny fikirakirana amin’ny asa tanana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







