Vous êtes ici :

Lundi 29 Avril 2024

ombre

Vahoaka voatampim-bava

Tsy misy na iza na iza mahazo manao hetsika eo amin’ny zaridainan’Ambohijatovo sy ny kianjan’ny 13 mai androany hoy ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny prefektioran’ny polisy eto Antananarivo renivohitra. Midika avy hatrany izany fa voarara ny fankalazana ny fahatsiarovana ny tolom-bahoaka nampirodana ny fitondran’i Filoha Tsiranana tamin’ny 13 may 1972 . Tena atahoran’ny mpitondra Fanjakana malagasy ity datin’ny 13 may ity ary indrindra indrindra ny kianjan’ny 13 may izay tena manana ny hasiny satria ireo filoha voavidim-bahoaka rehetra dia saika nahita faisana teo avokoa.  Teo amin’ny kianjan’ny 13 may no nandrodanana ny Fanjakan’i Tsiranana, Ravalomanana, ary Ratsiraka. Ny Filoha Zafy Albert kosa tamin’ny taona 2005 dia efa saika matin’ny fitsaram-bahoaka teo amin’io toerana io raha nikasa hitarika korontana handrodanana ny Filoha Ravalomanana.

Teo ihany koa no nandrodanan’i Andry Rajoelina ny fitondrana Ravalomanana ka tsy namelany ny olona hanao hetsika intsony tamin’ny andron’ny tetezamita satria natahorany mafy sao handrodana ny fitondrany. Ankehitriny dia mbola matahotra mafy ny hasina sy ny herin’ny kianjan’ny 13 may ny fitondrana Rajaonarimampianina ary anaovany ny fomba rehetra hanakanana ny vahoaka malagasy tsy hanao hetsika eo amin’io kianja io. Ampiasaina amin’izany ny minisiteran’ny Atitany sy ny prefektioran’ny polisy, izay mamoaka fandraràna sy tsy manaiky ny hanome fahazoan-dalana izay rehetra te haneho hevitra eo amin’ny kianjan’ny demokrasia sy ny kianjan’ny 13 may. Atao fitaovana ihany koa ny mpitandro filaminana hanao ramatahora ny vahoaka amin’ny alalan’ny fampitandremana fa handray fepetra henjana raha misy olona sahy miana-kendry midina eo amin’ny kianjan’ny 13 may na dia hametraka fehezam-boninkazo fotsiny aza.

Ny tena olana dia manitsakitsaka tanteraka ny fiandrianan’ny kaominina Antananarivo renivohitra ny fitondram-panjakana satria io kianja io, izay mifefy dia tafiditra ao anaty tokontanin’ny kaominina. Izany hoe manan-jo hanome alalana izay te hanao hetsika eo an-tokontaniny ny kaominina. Mahagaga anefa fa voarara izany na dia  hetsika kasain’ny vahoaka hatao am-pilaminana aza.

Kanosa loatra ity fitondram-panjakana ity ka na ankizy milalao aza dia efa mampivarahontsana azy, heveriny ho mpikarama an’ady mikasa hanongam-panjakana. Mahafantatra ny zava-misy marina ny mpitondra matoa manakana ny vahoaka tsy haneho hevitra. Fantatry ny mpitondra fa tofoka tanteraka ny vahoaka manontolo ka minia manampin-tsofina mba tsy handre ary minina mikipy mba tsy hahita izy ireo. Iaraha-mahalala mantsy fa hiparitaka manerana an’i Madagasikara ny sary sy feo maneho fa amin’ny hetsiny maro ny olona ho tonga eo amin’ny kianjan’ny 13 may izay hamotsipotsitra ny tsy mety ataon’ny mpitondra Fanjakana raha avela hisokatra hoa n’ny fanehoan-kevitra io toerana manan-tantara io.

Tsy handaitra intsony avy eo ny fampanantenana poakaty sy ny lainga afafy amin’ny haino aman-jerim-panjakana izay milaza fa tena mahavita zavatra sy ankamamian’ny vahoaka ny mpitondra. Fitaka sy fanaovana tsinontsinona ny vahoaka ny fanakaramana teknisianina hiteny etsy sy eroa fa hitondra fampandrosoana goavana sy tombontsoa tsy hita pesipesenina ho an’i Madagasikara ny fandalovan’i ban Ki-Moon sekretera jeneralin’ny firenena mikambana teto sy ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny frankofonia amin’ny volana novambra. Tsy mino izany ny vahoaka ary tsy azo rebirebena ka te hiteny ny ao an-tsainy sy hilaza ny heviny mikasika ny zava-misy marina eto amin’ny firenena. Tsy sahy mihaino izany hevi-bahoaka izany ny mpitondra ka manao ny fandrarana rehetra tsy hahafahan’ny malagasy hiteny an-kalalahana imasom-bahoaka. Izany no antony tsy hanomezana alalana ny vahoaka hidina eo amin’ny kianjan’ny 13 may. Tsy fantatry ny mpitondra nefa fa ny vahoaka toy ny rano ka raha poretina loatra dia vao mainka mitady lalana hanehoana ny heriny.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre