Vous êtes ici :

Mercredi 15 Mai 2024

ombre

Hcd – Ampianarina mitantana vola ireo reny sahirana

Omaly no notontosaina teny amin’ny Dlc, ny fizarana ny vokatra nataon’ilay « consultante » amerikanina, Bonnie Reese, momba ny Hcd (Human centers design), izany hoe famoronan-javatra miainga any amin’ny maha olona. Nandritra ny heritaona i Bonnie Reese no namantatra ny olana fototra amin’ny resaka tsy fanjarian-tsakafo, teo amin’ny fianakaviana sahirana teto an-drenivohitra. Nandritra ny tafatafa natao tamin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy dia ny Onn (Office national de nutrition) sy ny U-pnnc (Unité programme national de nutrition communautaire), nisy ny fanomezam-bahaolana amin’ny fanovana ny sakafo amin’ireo renim-pianakaviana. Olana hatramin’izay araka ny fanambarany ny fanaovana tsianjery maimbo ataon’ireo Acn na ny Agent de communautaire de nutrition fa tsy mijery lalina ny sakana mahazo ireo reny. Vahaolana, noho izany ny fampianarana ireo Acn hahay hamakafaka lalina ary atao miainga amin’ny zavatra resahin’ireo renim-pianakaviana ny soson-kevitra aroso. « Voaresaka tao ihany koa ny famoronana ny kaoperativa ny vehivavy mba hahafahan’izy ireo mihary. Ampianarina mitantana vola koa ireo renim-pianakaviana mba hahaizany mitantana izay kely ananany. Tsy izay ihany anefa fa hikarakara ireo zaza mbola any am-bohoka hatramin’ny faha-5 taonany ny Onn”, hoy i Ramiandrisoa-Ratsivalaka Alban, tompon’andraikitra ny serasera ao amin’ny Seecaline.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre