Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Hampiseho ny fahantrana eo anatrehan’ny frankofonia

Lojikan’ny ady sy ny fifandonana ! izay sisa no toa hany vahaolana hitan’ny malagasy fa hivoahana amin’ny olana sedraina rehetra amin’izao fotoana izao. Ny vy tsy mikitrana irery ary toa samy manao izay hisian’ny korontana sy ny disadisa avokoa ny rehetra. Ny fahantrana anefa efa tena miakatra any an-tampon’ny loha ka manomboka kivy ny ankamaroan’ny vahoaka. Andaniny ny mpitondra tsy mihaino ny fahorian’ny vahoaka fa manao di-doha amin’izay fandaharam-pampandrosoana heveriny ho tanterahina na efa hita izao aza fa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy. Frankofonia, Jirama, Air Madagascar, ady amin’ny kolikoly, fanenjehana ny mpanondrana andramena,…santionany vitsy amin’ny laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ireo nefa hatreto tsy hita marina izay tena vokatra azo sy fiantraikany any amin’ny fiainam-bahoaka. Misy mihitsy aza sahy mandainga sy mipoitra matetika amin’ny haino aman-jery sy ny fampahalalam-baovao fa hitondra tombontsoa be ho an’i Madagasikara ary tokony ho reharehan’ny firenena ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny  frankofonia eto amintsika. Tsy tena marina izany satria raha ny zava-misy amin’izao fotoana izao dia mbola menatra i Madagasikara satria firenena gisitra maneran-tany. Fahantrana, fako, loto, aretina, tsy fandriam-pahalemana ary savorovoro politika izao no misy eto. Izany rehetra izany ve no hireharehana amin’ny vahiny hanatrika ny fivorian’ny frankofonia. Lazaina ihany koa fa hanome asa an’arivony nefa asa tsy mahavita mandavan-taona fa natao hanompo ireo vazaha fotsiny ny malagasy. Asa fanompoana ny 90%-n’ny asa hovokarin’ny fihaonan’ny frankofonia fa tsy asa mendrika ny loham-pianakaviana izay misy karama ampy sy maharitra hahafahan’ny ankohonana mandroso araka ny tokony ho izy.

Tsy fankahalana be fahatany na sanatria tora-po no ilazan’ny maro fa tsy mbola mendrika ny handray fivoriam-be iraisam-pirenena i Madagasikara fa kosa fijerena amin’ny maso tsy miangatra sy fo tony ary ny lojika ny zava-misy. Mahantra ny 90 isan-jaton’ny malagasy ary mila fitsinjovana manokana ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana satria ny tsinay tsy mba vatsy ary ny kibo tsy mba lamosina. Kabary sy fandaharan’asa tsy mazava no aroson’ny fitondram-panjakana hamahana izany fahantrana izany. Na ireo “tsena mora”’, na “tsaky pop”, sns… izay fanaon’ireo mpitondra nifandimby teo aloha aza tsy vitan’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny manao azy. Tena tsy fantatr’izy ireo tokoa ve sa iniany tsy raharahiana fa an-tapitrisany ny malagasy no tsy ampy sakafo isan’andro. Izany no mahatonga ireny mpitarika sarety sy posy tsy ara-dalàna maro be mikiribiby manao fitaterana eto an-drenivohitra ireny tsy te hahalala na dia voararan’ny lalàna aza. Izany ihany koa no mahatonga ireo mpivarotra amoron-dalana efa hananika amin’ny hetsiny maro manao vy very ny ainy mifandona amin’ny mpitandro filaminana isan’andro satria tsy mahita asa hamelomana ny vady aman-janaka.

Raha manana vola 230 miliara mahery ho an’ny frankofonia ny fitondram-panjakana ary mahita fomba hividianana fiaramanidina isan-taona dia tsara kokoa izany vola be tsy toko tsy forohana izany raha mba atokana ho an’ny asa fampandrosoana ny vahoaka. Raha nanafarana vary sy entana ilaina amin’ny fiainana andavan’andro, izay hamidy amin’ny sandany mora sy hakana tombony izao izany vola rehetra izany dia efa mba nihena ny adin-tsain’ny isan-tokantrano satria mihena ny vidin-tsakafo.

Tsy te hahalala izany anefa ny mpitondra fa ny hisehoseho eo imason’izao sehatra iraisam-pirenena tsy hihinanan-kanina izao hatrany no mahamaika azy ireo. Vao vita anefa ny fandraisana ireo vahiny dia atobak’ireo mpanao gazety vazaha any ivelany ny horonan-tsary mampiseho ny fahantrana sy ny fahorian’ny vahoaka ary mbola hitarin’izy ireo amin’ny fanaratsiana ny malagasy ho mpangataka, mpivaro-tena, mpidoroka, sy mpisoloky ny fanadihadiana nataony. Tsy vao izao no nisy izany fa efa fanaon’ireo mpanao gazety vahiny hatramin’izay ny mankaty amintsika mba hitady lohahevitra hanaratsiana ity firenena ity sy ny mpitondra ary ny vahoaka ao aminy. Hiarahantsika mahita eo izany aorian’ny frankofonia raha ho raikitra eto amintsika tokoa io fivoriana io.

 

Ravalo tsy Manana

 

 

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre