10 andro faharoa – 60 isan-jaton’ireo taksibe no mila fanamboarana
Tapitra ny alakamisy 12 may lasa teo, ny 10 andro voalohany tamin’ny fiofanana nataon’ireo mpamily taksibe ny koperativa Fifiabe sy Soamira. Tsikaritra nandritra iny 10 andro voalohany iny fa mahatratra 62 isan-jato ireo taksibe nahitana tsy fahombiazana tamin’ny “contre visite” ka voatery nomena ny tompon’ny fiara tamin’ny fanamboarana azy. Efa niverina nandray ny asany nanomboka omaly kosa ireo mpamily sy mpanampy azy rehefa nahazo ny fahazoan-dalana hiasa. Nanomboka ny zoma 13 may indray àry ny 10 andro faharoa ho an’ireo taksibe miisa 60 avy ao amin’ny Fifiabe sy Soamira hatrany. Tsikaritra tamin’io andro voalohany io avy hatrany fa be dia be ireo fiara tsy tomombana ara-dalàna nefa mbola miasa.
Araka ny voalazan’ny filohan’ny foiben’ny fanaraha-maso ny fiara eto Antananarivo, Ranedison Gelin dia mahatratra 60 isan-jato ireo taksibe mila fanamboarana amin’ity andiany faharoa ity. Hita nandritra ny fitsirihana natao tamin’ireo fiara tamin’ny zoma lasa teo fa eo amin’ny lafiny hisatra no tena olana sy ny fahazarana manao ady gasy (bricolage) ka mila ialana izany.
Nanomboka ny zoma iny ihany koa ny fiofanana atrehan’ireo mpamily sy ny mpanampy azy ireo mba hianarana ny fahaiza-miaina ary ny fampatsiahivana azy ny amin’ny resaka familiana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







