Vohipeno – Mpihady volamena fito maty nihotsahan’ny tany
Nisy loza nitranga vokatry ny fihotsahan’ny tany, tany amin’ny fokontany Ankaboka, kaominina Mahazoarivo, distrikan’i Vohipeno. Lehilahy mpihady volamena miisa 11 no tototry ny tany tao amin’ny toerana antsoina hoe Sarivelo, ny zoma 13 may, tamin’ny 10 ora maraina. Teo am-pangadiana tany, mitady volamena izy ireo no niseho tampoka ny loza. Araka ny loharanom-baovao dia tany malemy ity nohadian’izy ireo ity. Vokany, mpihady volamena fito no maty tsy tra-drano fa voavonjy kosa ny efatra izay samy mponin’i Sarovelo avokoa. Ny fahasarotan’ny fitadiavana azy ireo no fantatra fa nahatonga ny fahafatesan’izy ireo. Natolotra ny fianakaviany ireo razana fito ireo.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







