Mananara Avaratra – Kila forehitra ny tsenan’ny kaominina
Nijoalajoala ny afo tao an-tampon-tanànan’i Mananara avaratra. Trano tsotra sy trano fivarotana maromaro tao amin’ny tsenan’ny kaominina no nolalaovin’ny afo nandritra ny adim-pamantaran’andro, ny 12 may tamin’ny misasak’alina. Afon-dabozia tao amin’ny tranon’olona iray tao an-toerana no nitarika ny afo ary nihitatra tamin’ny trano manodidina. Efa tao anaty torimaso tanteraka ny rehetra tamin’io fotoana io. Taitra tampoka, noho izany fahamaizana izany ny rehetra ka samy nikoropaka nanavotra ny tenany fa tsy nisy nahatafavoaka entana intsony. Ny mpiara-monina tamin’izy ireo no nifanome tanana namono ny afo. Sarotra ny famonoana izany, noho ny fitsokan’ny rivotra mafy loatra. Voalaza fa efa tamin’ny 3ora sy 45mn no voafehy tanteraka ny fahamaizana. Vokany, trano tsotra miisa 3 sy trano fivarotana enta-madinika antsinjarany mahatratra fito ary fivarotana enta-madinina ambongadiny miisa 2 no levon’ny afo. Tsy nisy ny aina nafoy na naratra fa tombanana ho 75 tapitrisa ariary ny totalin’ny zavatra simba sy may. Nidina tany amin’ny toerana nisian’ny loza ny tompon’andraikitra tao an-toerana nijery ifotony ny zava-misy. Efa mandeha ny fanadihadiana.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







