Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Fandehanana mafy – Lehilahy roa maty nazeran’ny môtô

Olona roa indray no namoy ny ainy vokatry ny loza ateraky ny môtô. Teo amin’ny toerana iray atao hoa Laingomena, eny Ambohijanaka no nitrangan’izany ny alahady maraina ny pantekosta lasa teo. Nanao taingin-droa tamin’ny môtô skotera ireto lehilahy ireto ary nandeha mafy dia mafy nefa miditra ny fiolahana. Tsy nahatana ny familiana ka nifatratra tany amin’ny vavahady manamorona ny lalana. Mafy ny fianjerana ka ny lohan-dry zalahy no nandia ny tany. Nivoaka ra ny orona sy sofin’izy ireo, hany ka samy torana tsy nahatsiaro tena. Nifamonjen’ireo nanatri-maso nentina tany amin’ny hopitaly saingy tsy tana intsony ny ain’izy roalahy. Tamin’ny fizahana natao no nahalalana fa avy nandray zava-pisotro mahamamo izy ireo satria nahenoana fofona alikaola ny razana.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre