Asan-dahalo – Ravan’ny fokonolona ny ekipan’i Barinjaka
Nitrangana fanafihan-dahalo mahery vaika indray tany amin’ny distrikan’Iakora, ny 14 may tamin’ny 6ora maraina, tany Ambalamahatsinjo, kaominina Ranotsara avaratra. Mbola teo am-pikarakarana tanteraka ireo fokonolona tamin’io fotoana io no notairin’ireo olon-dratsy tamin’ny alalan’ny poa-basy tsy an-kijanona. Vaky nandositra ny mponina tao an-tanàna raha vao naheno ny firefodrefotry ny basy. Nohararaotin’ireo Malaso tamin’izay ny famoahana ny biby tao am-bala ka nanjavona ny omby 100 mahery. Andian-dahalo mitondra anarana “Barinjaka” miisa 40 eo ho eo izy ireo : vehivavy ny efatra, valo nilanja basim-borona ary ny ambiny kosa nampiasa zava-maranitra sady nampihorohoro ny iray tanàna.
Vao niala ny tanàna anefa ireo olon-dratsy dia nanaraka avy aty aoriana ireo fokonolona nanao ny fanarahan-dia. Tany amin’ny kilometatra vitsivitsy niala ny kaominina Ranotsara avaratra, nifanehitra ny roa tonta ary raikitra ny fifampitifirana. Dahalo iray no lavon’ny fokonolona , iray tamin’ireo vehivavy efatra no naratra ka noraisim-potsiny. Vao nahita ireo namany maty sy voasambo-belona dia nilavo lefona ireo 38 ambiny ka namela ireo omby teo an-toerana. Tafaverina amin’ny tompony daholo ireo omby rehetra.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







