Mipoapoaka daholo ny etsy sy eroa !
Vao misasaka ny volana may dia efa manomboka tsikelikely amin’ny fanamboarana tsipoapoaka ny ankizy lahy kely eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Maneho izany fa efa manakaiky ny fankalazana ny fahatsiarovana ny niverenan’ny fahaleovantenam-pirenena. Manaitra ihany ny fihetsik’ireo ankizy satria toa izy ireo no lasa mampatsiahy ny olon-dehibe fa firenena mahaleo tena i Madagasikara ary zava-dehibe tsy azo adinoina izany. Tsy ataon’ireo ankizy ambanin-javatra fa misy ny fetim-pirenena ary misy fomba maro entina hanehoana izany fankalazana izany. Na dia tsipoapoaka vita amin’ny “bougie” efa maty tamin’ny fiarakodia aza no ampiasan’ireo zaza dia efa maneho ny lanja homen’izy ireo ny mahazava-dehibe ny fetin’ny 26 jona izany.
Tsy toy izany anefa ny an’ireo mpitondra Fanjakana sy tompon’andraikitra manam-pahefana isan-karazany fa toa mangingina sy variana any amin’ny andrim-panjakana misy azy ireo any. Ny Antenimieram-pirenena izao dia efa manomana zavatra hipoaka raha ireo solombavam-bahoaka. Toa izy samy izy ihany no hifanapoaka ao raha araka ny vaovao farany. Misy mantsy amin’izy ireo mantsy mikatsaka mafy ny hanapoahana ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Raha ny marimarina kokoa dia efa tsy manana ny lanjany firy intsony ny birao maharitra manoloana ireo solombavam-bahoaka ka tadiavin’izy ireo haongana amin’ity fotoam-pivoriana voalohany ity. Tsy nahavita niaro ny tombontsoan’ny maro an’isa mantsy io birao maharitra io ary ampangain’ny sasany ho mpiray tendro amin’ny fahefana mpanatanteraka dia ny Governemanta izany. Ho hita eo ny tohin’ny raharaha fa raha ny zava-misy dia tsy mbola nahavita nanapoaka na inona na inona ireo solombavam-bahoaka hatramin’ny nitsanganan’ny Antenimieram-pirenena tamin’ity Répoblika fahefatra ity. Natao ny tetika hanonganana ireo praiminisitra nifandimby fa tsy nahomby. Nampiasaina ny fombafomba hanesorana ny Filoham-pirenena amin’ny toerany fa tsy nandaitra. Nanao fihetsiketsehana be hanoherana ireo volavolan-dalàna sasany natolotry ny Governemanta ny solombavam-bahoaka fa toa lany daholy ihany ireny lalàna ireny. Raha tena dinihina dia tsy mahay manapoaka ny depiote ary lasa kilalaon’ny fahefana mpanatanteraka fotsiny satria tsy mahay miray hina. Hita mibaribary ireo mpivadibadika noho ny tombontsoa manokana ka na ny antsoina hoe maro an’isa aza dia tsy fantatra intsony eo anivon’ity andrim-panjakana ity. Mbetika betsaka ireo mpanohana ny Fanjakana, tampotampoka eo anefa dia lasa mpanohitra indray ny maro an’isa, toy izany hatrany ny ataon’izy ireo. Sarotra ho an’ny solombavam-bahoaka ny hiaro ny tombontsoan’ny vahoaka satria na ny hiady ny zo hahazo fiara 4×4 ho an’ny tenany aza tsy vitan’izy ireo.
Mipoapoaka ihany koa ny seza eny anivon’ny minisitera tsirairay eny. Efa an-jatony maro sahady izao ireo mpiasam-panjakana ambony no nisaoty araka ny fomba fitenin’ireo fonksionera azy. Manao laharam-pahamehana amin’ny fanendrena olona vaovao rahateo ny Governemanta vaovao rehefa filan-kevitry ny minisitra, isaka ny alarobia toy izao. Mipoaka avokoa ary very seza ireo tale sy lehiben’ny sampan-draharaha isan-tsokajiny niaraka tamin’ireo minisitra noesorina. Toerana hifandimbiasana rahateo ny fitantanana ny raharaham-pirenena ka izay voa manodidina hoy ireo olom-baovao nahazo seza.
Farany, manomboka mipoaka ihany koa ny fahadisoam-panantenan’ny vahoaka ka izay tranga rehetra heverin’ny olona fa tsy an-drariny dia miteraka tabataba sy fitokonana avokoa. Toy ny taitaitra sy mora sorena izany ny olona amin’izao fotoana izao ka na zavatra kely heverina fa tsy dia misy dikany aza dia efa mampipoaka ny hatezerana ary ahiana hitarika korontana. Ireo mpanao politika toa an’i Alain Ramaroson rahateo dia efa nilaza mazava fa tsy maintsy hitarika ny vahoaka hidina an-dalam-be ato ho ato. Dia ho sanatria ve ka ho tonga amin’ny fipoahan’ny krizy indray ny zava-misy ankehitriny? Enga anie tsy hiafara amin’izay satria efa tena osa loatra ity firenena ity ka vao maika hirodana tanteraka raha toa ka mbola hiditra amin’ny savorovoro indray !
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







