Vazaha tsy nahaloa hofan-trano – Naratra mafy nodarohany ny tompon-trano
Nisehoana tranga-piaraha-monina hafa kely, tany Nosy-Be Hell-ville. Vazaha iray tsy nahaloa hofan-trano no voalaza fa nandratra ny tompon-tranony rehefa noroahina niala ny trano. Manofa trano lehibe na irony lazaina “villa” ireny ity teratany vahiny ity any Nosy-be. Efa nanomboka ny taona 2011 anefa dia voalohany intsony ny hofan-trano. Rehefa noresahan’ny tompon-trano moramora hiala ilay trano anefa izy, midingin-drambo tsy mety miala. Nanapa-kevitra, noho izany, iry voalohany nitondra ny raharaha teny amin’ny manam-pahefana. Taty aoriana dia anefa niakatra Fitsarana ny afera ka resy ilay vazaha. Nisy noho izany ny taratasy avy any amin’ny tribonaly manome fe-potoana manala azy amin’ilay trano. Tapitra anefa ny fetra hijanonany ao ka naniraka azy hiala amin’izay ny tompon-trano saingy mbola tsy mety hatrany izy. Tsy vitany midrikina tsy miala fa mbola voahompa hatramin’ireo polisy tonga hanala azy tao. Ary niafara tamin’ny fikasian-tanana ilay mpampanofa izany ny andron’ny alahady lasa teo. Vokany, naratra mafy sady torana tsy nahatsiaro tena ity farany ka voatery nentina nihazo ny hopitaly. Nametraka fitoriana avy hatrany ny fianakavian’ny naratra ary nosamborina ilay vazaha. Androany no fantatra fa handalo eo anoloan’ny mpampanoa lalàna ny raharaha.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







