Antsohihy – Efa-dahy sarona niaraka amin’ny lavanila 70kg
Olona efatra no voasambotry ny zandary niaraka tamin’ny lavanila 70kg, tany Antsohihy, ny andron’ny 15 may, tamin’ny 4ora tolakandro. Nandritra ny fisavana fiara tsy mataho-dalana iray marika Nissan, nentin’ny lehilahy iray monina eny Mandroseza Antananarivo no nahitana izany lavanila izany. Marihina fa efa voakarakara tsara io entana tra-tehaky ny mpitandro filaminana io. Mbola nahatratrarana lelavola mitentina 78 tapitrisa ariary sy fanalahidin’ny fiara 4×4 miisa 2 ihany koa tao anatin’io fiara io. Notazomina avy hatrany izy efa-dahy sy ny entana ary ny fiara. Misokatra ny fanadihadiana.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







