Dinec – Adidin’ny mpampiasa ny mampiditra CNaPS ny mpiasa rehetra
« Tapitra jerena akaiky avokoa na ny ora fiasan’ny mpampianatra na ny fandaharam-pianarana ary tsy leferina mihitsy ny gaboraraka ». Izay no antony mahatonga ny fahombiazana ho an’ny sekoly katolika. Efa fanaon’ny foiben’ny fanabeazana katolika hatramin’izay moa ny atao hoe Codir na ny « Conseil des Directeurs d’Etablissement » ka nisafidy manokana ny hiara-hiasa amin’ny CNaPS ny Dinec (Direction national des écoles catholiques)nanomboka tamin’ny taona 2015. Nofanina manokana hahafantatra ny lalànan’ny Fiahiana ara-tsosialy izy ireo nandritra ny filan-kevitry ny talen-tsekoly tany Moramanga. Misy ireo efa mahafantatra ny lalàna velona, tao koa ireo vao nampahalalana fa zo fototra ny fananana fiahiana ara-tsosialy ary adidin’ny mpampiasa ny mampiditra ny mpiasany ho mpikambana CNaPS mba hahafahan’ireo olom-pehezina misitraka ny zony. « Mpiasa tahaka ny mpiasa rehetra ny mpampianatra izay manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fanabeazana ka mendrika ny hahazo zo amin’ny maha olombelona azy sy amin’ny maha mpanabe azy », hoy Rakotomiaraka Philippe Bruno, izay talen-tsekoly sady mpiofana. Tsy mitovy mihitsy ny mpiasa very zo sy ny mpiasa manana fiahiana ara-tsosialy satria zava-dehibe ny fifampitsinjovana eo amin’ny mpampiasa sy ny mpiasa. Antony iray mahatonga ny mpiasa ho very zo hatramin’izay ny fanefan’ny mpampiasa amin’ny ampahany ihany ny latsakemboka. Misy koa ireo manafina ka manao fanambarana filazan-karama tsy araka ny tokony ho izy.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







