Andriambilany – Latsaka tany an-kady ilay Kamiao sy Sprinter nifandona
Mila ho isan’andro ity lozam-pifamoivoizana ahafatesana olona miseho eto Madagasikara ity. Nisehoana lozam-piarakodia nahery vaika indray ny lalam-pirenena fahafito (Rn7) omaly hariva, tokony ho tamin’ny 5ora tany ho any. Noho ny fandehanana mafy dia fiara vaventy iray sy Mercedes Sprinter iray no nifandona, tany Andriambilany, eo amin’ny lalana mahitsy misy ny lalamby. Mafy ny fifandonana ka nivadibadika ary samy latsaka tany anaty hady ireo fiara roa ary samy potika tanteraka . Araka ny loharanom-baovao, misy ireo namoy ny ainy tao anatin’ilay Sprinter saingy mbola tsy fantatra ny isany amin’izao fotoana anoratana izao ; betsaka ihany koa ireo naratra.
Raha ny trangan-javatra niseho tato ho ato dia tsikaritra fa miha mitombo ny loza ahafatesana olona eto Madagasikara. Tsy hay afenina na foronina fa ireo fiara Sprinter hatrany no mamoa-doza rehefa misy ny loza. Manoloana izany dia tokony ho hentitra ny fanjakana mandray ny andraikiny amin’ireo mpamily, indrindra ireo mpitatitra fa ain’olona no entina. Raha izao no mitohy dia azo lazaina fa mamoy aina tsy fidiny hatrany ny vahoaka Malagasy noho ny afitsok’ireo mpamily tsy mahafehy ny fiara entiny.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







