Manaingazipo – Olona iray maty navadiky ny fiara
Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahery vaika tany amin’ny lalam-pirenena Rn1. Fiara tsy mataho-dalana iray marika Sang Yong Korando avy aty an-drenivohitra handeha hoany Tsiroanomandidy no nivadika ambony ambany sy nivarina tany an-kady vokatry ny fandehanana mafy loatra nefa miditra ny fiolahana. Tamin’ny 15 may, tamin’ny 1ora tolakandro no nitrangan’izany, tao amin’ny toerana antsoina hoe Manaingazipo, fokontany Ankonabe, kaominina Analavory. Olona telo miaraka amin’ny mpamily no fantatra fa tao anatin’io fiara tra-doza io ary naratra avokoa izy ireo ka nentina nihazo ny toeram-pitsaboana tany Analavory. Vokany, olona iray namoy ny ainy taorian’ny fitsaboana ny ratra nahazo azy teny amin’ny Csb2. Ny roa hafa kosa mbola manaraka fitsaboana. Ilay fiara indray potika tanteraka.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







