Mahajanga – Andian-jatovo tsy ampy taona manakan-dalana sy manafika
Mirongatra tsy misy ohatra izany ny hetraketraka ataon’ireo andian-jatovo tsy ampy taona, any an-tampon-tanànan’i Mahajanga, tato ho ato. Saika ho isan’andro no andrenesana fitarainana momba azy ireo mahakasika ny fanakanan-dalana sy fanafihana izay tratra alina. Tovolahy eo amin’ny 13 ka hatramin’ny 17 taona eo izy ireo, izay mandeha amin’ny andiany 20 mahery. Toy ny tranga niseho ny alahady lasa teo, tamin’ny 7ora sy sasany alina. Tanora efa-dahy avy nitsangatsangana teny amoron-dranomasina nandalo teny akaikin’ny Banja Toalaza nihainohaino ny fampisehoana nataon’i Barinjaka sy Black Nadia no lasibatra tamin’io fotoana io. Nobahanana sady notampenan’izy ireo ny lalana fivoahana ary niainga niaraka tamin’izay ny daroka. Tsy vitan’izany fa mbola noterena hanome ny fananany ireo voatafika.
Taloha kelin’io indray, tovolahy iray hafa avy naka aina teny amin’ny Bord no lasibatra. Mody nangataka sigara izy ireo ary norarafana kapoka fehikibo avy hatrany ny tarehiny rehefa tsy nanome, araka ny fampitam-baovao voaray. Tokony ho mailo, araka izany, ireo mponina any Mahajanga, indrindra ireo mpandeha amin’ny alina. Araka ny feo mandeha hatrany mantsy dia tsy ialana fitaovana maranitra ireo andian-jatovo mpihetraketraka ireo.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







