Vous êtes ici :

Lundi 20 Mai 2024

ombre

67ha – Enin-dahy nitondra basy nandroba mpamongady

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana teny 67ha, omaly antoandro tamin’ny 2ora mahery kely teo ho eo. Mpamongady iray miorina eo ampitan’ny Mada Hotel no notafihan’ny enin-dahy nitondra basy poleta tsirairay avy sy antsy. Toerana be olona raha ny eny 67ha, indrindra tamin’io ora nisehoan’ny fanafihana io saingy tsy nahasakana ireo olon-dratsy nanatanteraka ny asa ratsiny izany. Tsy nisy ny poa-basy saingy nanambana avy hatrany izy ireo rehefa tonga teo amin’ny tokonam-baravaran’ilay mpivarotra, nandrahona ity farany mba hamoaka ny vola rehetra. Natolotra ireo jiolahy ny vola rehetra izay azo nandritra ny tapak’andro maraina sy ny antoandro, izay tsy fantatra ny isany satria natahotra ny ho faty. Tao anatin’ny indray mipi-maso no nanatontosan’ireo mpangalatra ny fanafihana. Araka ny loharanom-baovao, 5mn teo ho eo raha be indrindra satria vao nahazo izay nilainy izy ireo dia vaky nandositra nihazo ny Ivo. Talohan’izay, mbola noraofin’izy ireo natao tao anaty lamba ny finday rehetra izay namidy teo amin’ny sisin-dalana manoloana ilay mpamongady. Ny nampalahelo, araka ny fitantarana hatrany dia 15mn taorian’ny tranga vao tonga ny mpitandro filaminana nefa eo akaiky eo ny polisy ao amin’ny boriborintany faha-7.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre