Vous êtes ici :

Dimanche 05 Mai 2024

ombre

Potehina ny vahoaka madinika

Nitovy hevitra ary samy nilaza na ny praiminisitra Solonandrasana Olivier na ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana fa fanahy iniana ny nandorana ny tsenan’Isotry farany teo.Rehefa tena zohina izany dia misy mahazo tombontsoa manokana amin’ny fahorian’ny vahoaka madinika. Olon-tsotra sy mpiavo-tena avokoa mantsy ireo mpivarotra ao amin’ny tsenan’Isotry. Tsy manana fivelomana hafa ankoatra ny tao izy ireo nefa dia izao nisy nisompatra izao. Tsy voalohany fa efa mahazatra ny fahamaizana mitranga eny amin’ny faritra iva eto an-drenivohitra. Tsy vitan’ny trano iray na roa no mirehitra fa tena vakim-paritra iray manontolo mihitsy. Fanahy iniana no mahatonga izany hoy ireo mpanao politika sy ny vahoaka tsotra. Dorana ny fonenan’ny madinika satria ilain’ny mpanambola ny toerana. Ireo vahiny mpandraharaha rahateo dia mankamamy ny faritra iva ary mahavita mamadika azy ireny ho tanànan’ny tranobe izay amidy sy ampanofaina lafo be hahazoana tombotsoa be. Toy ny mahazatra ary efa fomba fanao eto Madagasikara dia tsy mba misy atidoha mpandoro trano izany mba voasambotra sy voakitikitika fa miala maina hatrany ireo vahoaka madinika rava fananana. Mody tonga mizara fanampiana kely tsy mahavita taona ny tompon’andraiki-panjakana sy ireo misora-tena ho malala-tanana dia izay. Adino tanteraka ireo niharam-boina afaka herinandro vitsivitsy.Tsy io resaka fandorana trano io ihany no hanafaizana ny vahoaka madinika fa saika amin’ny lafim-piainana andavanandro mihitsy. Henjehina ny mpivarotra amoron-dalana tsy avela hanao ny asany noho ny fanadiovana ny tanàna sy fametrahana ny fanajàna ny lalàna nefa ireo mpandraharaha amin’ny sehatra ny fifandraisan-davitra tsy mitsahatra manangana trano kely eny amin’ny lalan’ny mpandeha an-tongotra. Nilaza ihany koa ny kaominina fa hiditra amin’ny fanesorana ireo fiara mpivarotra sakafo ao afovoan-tanàna nefa ny vahiny mpanam-bola migalabona manangana trano fisakafoanana sy trano filokana etsy sy eroa. Tena manelingelina ny fiarahamonina ireny trano fisakafoanana ireny satria misokatra alina be, no sady mibahan-dalana ny fiarakodian’ireo mpanjifa, no be tabataba ihany koa rehefa mamo mivoaka ao nefa tsy ahitan-teny ny tompon’andraiki-panjakana sy ny eny anivon’ny kaominina.  Terena handoa hetra sy haban-tsena ny mpivarotra madinika nefa ireo orinasa goavana sy mpandraharaha tsy manao izany. Mbola hanaovana ramatahora ihany koa ny vahoaka madinika amin’ny resaka hetran-trano nefa ireo mpampiasa vola amin’ny fampanofana tranobe manerana ny tanàna voalaza fa tsy mandoa ny hetra araka ny tokony ho izy ary tsy sahin’ny kaominina tenenina.

Rehefa tena dinihina dia toa faly hampiseho hery amin’ny malagasy tsy manan-tsiny avokoa ny tompon’andraikitra rehetra eto amin’ity firenena ity. Tamin’ny zoma 13 may lasa teo izao dia feno miaramila sy polisy ary zandary mirongo fiadiana teny Analakely sy ny manodidina. Rehefa nanontaniana ny anton’izany ny mpitarika ireto miaramila marobe ireto dia nanambara mazava fa misy andian’olona mikasa hamaky ireo magazay lehibe eny Analakely sy ny manodidina ka ny hanakana izany no mahatonga azy ireo eny.

Ny vahoaka madinika anefa saika isan’ora no mitaraina fa misy mpanendaka sy mpanao sinto-mahery eny Analakely saingy tsy misy mihitsy ny hetsika manokana ataon’ny fivondronamben’ny mpitandro filaminana hamongorana ireny mpanao asa ratsy ireny. Na efa noezahina tsy noresahina aza dia lasa afangaron’ny tompon’andraikim-panjakana ny resaka politika sy ny fiarovana ny vahoaka. Rehefa ny mpanam-bola no voatohintohina dia lazaina fa hetsika politika sy fanakorontanana no mitranga. Rehefa ny vahoaka madinika kosa no voaendaka sy iharan’ny herisetran’ny olon-dratsy dia lazaina fa asan-jiolahy tsotra no nisy.

An-kavitsiana izany hoe nisy nanendaka ka nametraka fitoriana tany amin’ny polisy izany fa tonga ireto farany nidina ifotony nijery ny zava-misy sy nanao fanadihadiana hitadiavana ireo mpanendaka. Rehefa toeram-pivarotana goavam-be anefa no voatafika dia tonga marobe amin’ny basy sy fiara ny mpitandro filaminana. Misy ihany ny mizana tsindrian’ila!

 

Ravalo tsy manana

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre