Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Tsenan’i Mahamasina – Mpanendaka 8 hatramin’ny 10 no voasambotra

Raha nangingina teo aloha teo ny resaka fanendahana ao amin’ny tsenan’i Mahamasina, isaka ny alakamisy, noho ny fahafantaran’ireo jiolahy ny hetsika ataon’ny polisy dia miverina mahazo vahana indray izany amin’izao fotoana izao. Mahatratra 8 ka hatramin’ny 10 any ho any ireo mpanendaka sarona isaka ny tsena, araka ny tatitra azo avy amin’ny polisin’ny boriborintany faha-5, eny Mahamasina. Raha ny alakamisy lasa teo izao dia tovolahy mpanendaka miisa 4 no voasambotra mandra-pahatonga tamin’ny 12ora antoandro. Telo tamin’izany no nosamborin’ny olona ary naterina teny amin’ny mpitandro filaminana raha toa ka tratran’ny miaramila ambodiomby nanendaka mpiantsena kosa ny iray, tokony ho tamin’ny 12ora mahery kely teo ho eo. Novelesin’ity miaramila tamin’ny kiho indray mandeha ilay olon-dratsy ary voa teo amin’ny orony ka nandeha ra. Ilay zavatra nangalariny kosa natolotra ny lasibatra. Araka ny tatitra azo hatrany dia olona vaovao avokoa ireto tratra ireto.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre