Sinto-mahery – Fito lahy indray tra-tehaka ny polisy
Mpanao sinto-mahery gaigilahy indray no tra-tehaka ny mpitandro filaminana. Manoloana ny firongatry ny asa fanendahana sy ny harom-paosy ary ny sinto-mahey eny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina dia nandefa polisy manao fanamiana sivily, ny polisy avy ao amin’ny boriborintany voalohany, mba hanara-maso ireo mpanao ity asa ratsy ity. Nandritra izany no nisamborana ireo olon-dratsy. Ny talata 18 mai, tokony ho tamin’ny 10ora maraina no nitrangan’izany, teny Analakely. Teo am-pisintomana findain’olona indrindra ny jiolahy iray no tratra. Tamin’ny famotorana natao azy no nanoroany ny namany mpiaraka manao sinto-mahery aminy ka enin-dahy indray no sarona teny Soarano sy Anosy ary Paraky ny andron’iny ihany rehefa nanaovana velam-pandrika. Nandritra ny fanadihadiana indray no nahalalana fa efa tena mpamerin-keloka ny roa ary efa nigadra teny Antanimora. Omaly no natolotra ny fampanoavana izy fito mirahalahy ireo.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







