Analakely – Lehilahy 50 taona tratra nangalatra « horodateur »
Lehilahy lehibe iray 50 taona no natolotra ny Fitsarana omaly, rehefa tratra nangalatra vy, teny Analakely. Ny alakamisy vao maraim-be tokony ho tamin’ny 1ora no tsikaritra fa ny vy fampiasa amin’ny fiantsonan’ny fiara vaovao na ny “horodateur” no nisy nangalatra. Rehefa nanao ny fikarohana ny mpiambina dia io lehilahy io no hitany nitondra ilay vy ka raikitra ny fifanenjehana. Tsy lasa lavitra dia tratra ilay olon-dratsy ary naterin’ny mpiambina tao amin’ny biraon’ny polisy eny amin’ny boriborintany voalohany sady nametraka fitoriana izy. Araka ny filazany nandritra ny famotorana dia saika hamidiny amin’ny mpividy vy eny amin’ny Petite-Vitesse ilay fitaovana nangalariny.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







