Vous êtes ici :

Lundi 20 Mai 2024

ombre

Ankeniheny Zahamena – Nandinika paikady hiarovana ny ala ireo mpisehatra

Nanatanteraka atrikasam-piofanana  tamin’ny herinandro lasa teo ny mpanao gazety sy ny vondron’olona ifotany ho fanamafisana ny fiarovana ny tandavanala sy ny fikajiana ny tontolo iainana, any Ankeniheny Zahamena. Fiofanana naharitra roa andro tany Moramanga, izay nikaroham-bahaolana sy nametrahana fiaraha-miasa tamin’ireo fikambanana tsy miankina misahana ny fiarovana ny tontolo iainana, indrindra ny ady atao amin’ny fitrandrahana sy fanondranana an-tsokosoko ireo zavamaniry sy biby ary hazo ao anatin’ny ala Ankeniheny Zahamena. Ireo sehatra tsy miankina izay tsy mitazam-potsiny manoloana ny fandripahan’ireo fahavalom-pirenena mamongana sy manondrana an-tsokosoko ireo harena voajanahary iankinan’ny hoavin’ny taranaka any afara. Raha ny tatitra azo mantsy dia 200 000 ha isan-taona ny ala ripaka eto Madagasikara. Nisongadina nandritra ny fiofanana ny fandinihana ny paikady izay heverina fa hahomby hoentina hiarovana sy hikajiana ny tontolo iainana. Ny fitrandrahana loharanom-baovao marim-pototra mba hahafahana manao fitoriana sy famoaham-baovao momba ny asa ratsy sy ireo mpanao izany ihany no paikady tsara indrindra entina hiarovana ny tandavanala. Atrikasam-piofanana notanterahan’ny Cocaz, izay novatsian’ny Wwf vola tamin’ny alalan’ny fanohanana avy amin’ny famatsiam-bolan’ny vahoaka Amerikanina (Usaid).

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre