Vous êtes ici :

Samedi 27 Avril 2024

ombre

Vatomandry – Mpanao pôlitika niady vehivavy

Olom-boatendry iray avy amin’ny kaominina Antsinanana sy solom-bavam-bahoaka iray avy ao Antanambao Manampotsy no nifanasa vangy teo imasom-bahoaka. Fifamaliana ompa sy fihantsiana izay niafara tamin’ny ady no nifanaovan’ireo olona natao ho raiamandreny. Heverina ho maodely amin’ny tanàna nefa tsy mahafehy tena sy teny havoaka, noho ny fitiavana vehivavy diso tafahoatra. Tany Vatomandry no nisehoan’izany savorovoro be izany, nandritra ny lanonana Dola Beach, ny pantekôsta lasa teo. Hatairana ny an’ireo nanatri-maso ny ady raha nahita ireo mpanao pôlitika nifanainga vozon’akanjo. Noheverin’ny olona ho disadisa nateraky ny tsy fitovian-kevitra amin’ny maha mpanao pôlitika azy ireo nefa rehefa nozohina akaiky, kay ady vehivavy ilay izy. Mafy ny fifamaliana, hany ka saika torana mihitsy ilay olom-boatendry raha tsy nomen’ireo namany rano mangatsiaka haingana, araka ny loharanom-baovao marim-pototra.

Henatra ho an’ny Faritra Atsinanana iny zava-niseho iny. Ireo tompon’andraikitra ambony izay noheverina ho raiamandreny be indray ity no nanjary modely ratsy ho an’ny vahoaka.”

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre