Vous êtes ici :

Samedi 18 Mai 2024

ombre

Nijoalajoala ny afo – Torana tsy nahatsiaro tena ny tompon-trano

Nijoalajoala tsy nisy toy izany ny afo, teny Andohatapenaka, ny alahady antoandro, tokony ho tamin’ny 1ora tany ho any. Afon-tsaribao avy nandrahoana sakafo antoandro, izay tsy voavono tsara no fototry ny. Efa samy teo am-pakana aina tanteraka ny tao an-trano no niseho ny loza. Samy taitra tampoka nahita ny fahamaizana ka nikoropaka namoaka ny entana izy rehetra. Ny manodidina ihany koa teo anatrehan’izany natahotra sao mihitatra ny afo ka samy niezaka nifanome tanana araka izay tratra mba hifehy ny afo. Ny sasany kosa nampandre ny mpamonjy voina avy hatrany. Tonga ara-potoana teny an-toerana ireto farany  voafehy ara-potoana ny afo. Tao anatin’ny fahasemporana namoaka ireo entana anefa dia torana tsy nahatsiaro tena ny ramatoa tompon-trano. Tsy nisy sahy namonjy ireo nanatri-maso fa tsy maintsy niandry ny fahatongavan’ireo mpamonjy voina namelona azy. Tsy nisy ny aina nafoy fa ny tompon-trano no naratra sy nahitana fahamaizina teny amin’ny vatany. Ilay trano kosa potika hotohoton’ny afo.

L.N 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre