Vous êtes ici :

Dimanche 05 Mai 2024

ombre

Miarinarivo – Rava ny tambajotra jiolahy mampihorohoro

Rehefa ela nanaovana ny asa ratsiny izay nampihorohoro ny fokonolona, tany amin’ny kaominina Manalalondo, Mirafangady sy ny manodidina  ireo andian-jiolahy raindahiny mpanao fanafihana mitam-piadiana dia voasambotra sy ravan’ny zandary ihany ny tambajotran’izy ireo. Efa an-taonany maro izy ireo no nampitondra faisana ireo vahoaka any amin’ireo toerana voalaza ireo fa ny 19 may lasa teo vao tratra ka jiolahy efatra no efa eo am-pelantanan’ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao. Halatr’omby, vaky trano arahana famonoana sy doro trano, fisolokiana sy ny heloka maro samihafa no anenjehena azy ireo.

Vao haingana izy ireo no voalaza fa nanatanteraka fanafihana tany Manalalondo. Latsaka  teo antokontanin’ny niharamboina ny karapanondro ny iray tamin’izy ireo saingy tsy sahy nampilaza ny mpitandro filaminana, noho ny tahotra sao voatafika sy voadoro trano. Taorian’izay anefa dia nahatratrarana omby tsy nisy taratasy tao amin’ny fonenan’ireo olon-dratsy ka tamin’izay vao nirohotra nametraka fitoriana ny fokonolona. “Hay misy olona atahoran’ireto jiolahy ireto ihany. Tsy sahy nitaraina izahay na dia tamin’ny manodidina aza satria lahy tokana ny aina. Misy farany anefa ny zavatra rehetra ka matoky ny zandary sy ny Fitsarana ao Arivonimamo izahay fa hanao sy asany madio sy am-pahamarinana tanteraka ary manantena ny mba hiaina am-pilaminana amin’izay  manomboka izao”, hoy ny solontenan’ireo mponina any an-toerana.

 

Laurena Nany

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre