Vous êtes ici :

Dimanche 19 Mai 2024

ombre

Amparafaravola – Jiolahy dimy nanafika tokantrano iray

Miaina ao anatin’ny tsy fandriam-pahalemana tanteraka ny distrikan’Amparafaravola ankehitriny. Taorian’ny fanafihana mitam-piadiana nahafatesana renim-pianakaviana, tao amin’ny kaominina Sahamamy, ny zoma 20 may lasa teo dia tokantrano iray hafa ao amin’ny kaominina Ambohimandroso indray no lasibatr’ireo jiolahy, ny alatsinainy 23 may. Dimy lahy nirongo basim-borona miisa 2 no niditra ankeriny tao amin’ny trano fonenan’ny lehilahy iray, tao amin’ny toerana atao hoe Tanambao. Nanapoaka basy in-dray mandeha izy ireo ka voa teo amin’ny tongony havia ilay raim-pianakaviana. Very tamin’izany ny “lecteur Dvd” iray. Taorian’ny fampandrenesana ny mpitandro filaminana dia nidina teny an-toerana ny solontenan’izy ireo nanao ny fizahana ifotony izay zava-nitranga sy nanatanteraka fanarahan-dia. Tsy lasa lavitra anefa dia tratran’ny zandary ny telo tamin’ireo olon-dratsy raha toa ka tafaporitsaka ny roa. Mitohy ny fikarohana.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre