Asandra – Dahalo 47 nangalatra omby 17
Mitohy ny fandrobana omby ataon’ireo dahalo any amin’iny tapany atsimon’ny nosy iny. Omby miisa 17 indray no lasibatr’ireo dahalo, ny faran’ny herinandro lasa teo, tany Andavaka, kaominina Andoharanomaitso, distrikan’Asandra, tamin’ny 8ora alina. Dahalo efapolo any ho any nitondra Kalaknikov miisa 2 sy basim-borona maromaro no tompon’antoka tamin’ny fanafihana. Nirefodrefotra ny poa-basy ka tsy nisy sahy nanohitra ireo olon-dratsy ny fokonolona, hany ka nalalaka izy ireo naka ireo omby tao am-bala sy nanesy izany nivoaka ny tanàna. Fotoana fohy nandaozan’izy ireo ny tanànan’Andavaka vao sahy nampilaza ny manam-pahefana ireo voaroba. Nisy noho izany ny fanarahan-dia nanaraka ny dian’ireo omby nizotra nianavaratra andrefana ny tanàna. Nampandrenesina avokoa ireo isam-bondrona mba hiambina ny kizo izay misy ao aminy avy.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







