Vous êtes ici :

Samedi 27 Avril 2024

ombre

Miandrivazo – Nisesisesy ny fanafihana mitam-piadiana

Nisesisesy ny fanafihana mitam-piadiana tany Miandrivazo. Tao anatin’ny iray andro dia toerana roa no notafihana andian-jiolahy nirongo basy mahery vaika sy fitaovana maranitra, ny 23 may lasa teo. Tamin’ny misasak’alina no niseho ny fandrobana voalohany, tao Soanafindra, kaominina Dabolava. Dahalo dimampolo mitondra basim-borona sy basy poleta ary zava-maranitra no nandroba olona maromaro tao amin’ny toerana voalaza etsy ambony ka lasa ny vola 10 tapitrisa ariary. Nanao fanarahan-dia ny zandary  sy ny fokonolona taorian’izay ka nisy ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Mpanara-dia miisa 3 no naratra nandritra ny fifandonana. Basy poleta vita gasy iray no azo.

Tamin’ny 8ora maraina kosa no nitranga ny fanafihana faharoa, tany antampon-tanànan’i Miandrivazo. Tsy nisy basy fa antsy lava no nentin’ny olona miisa 2 nikasa hanafika paompista amin’ny tobin-tsolika Jovenna ao Amparafara. Kinga ilay tovolahy lasibatra fa raha tsy izany dia saika nanjavona ny lelavola mitentina 60 tapitrisa harotsaka any amin’ny banky. Rehefa tsy nahomby ny teti-dratsin’ireto jiolahy dia nitsoaka izy ireo ka raikitra ny fifanenjehana saingy tsy azo. Na dia izany aza dia nanao ny fanarahan-dia ny zandary any amin’ny borigady Miandrivazo ary nasiana fisafoana eran’ny tanàna.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre