Vous êtes ici :

Vendredi 03 Mai 2024

ombre

ABIGAILA

Vehivavy Mpampihavana

Ny tantaran’i Abigaila vadin’i Nabala, ilay lehilahy mpanan-karena voalaza ao amin’ny Baiboly (1 Samoela 25) dia fianarana ho an’ny vehivavy rehetra mandala ny fihavanana sy maniry ho vehivavy mpampihavana eto amin’ny firenena.

 Vehivavy Hendry

Ny vehivavy hendry dia mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. Manoloana ny zavatra hita sy re ary iainana isan’andro dia mahafantatra ny olona feno fahendrena hoe ratsy izany zavatra izany na tsara.

Anisan’ny tena mampisongadina ny fahendrena tao anatin’i Abigaila vadin’i Nabala ny tsy fahazakany ny fisian’ny ady sy ny rà mandriaka teo amin’ny taniny ary izay mety ho fanamelohana ataon’Andriamanitra ny amin’izany fandatsahan-drà izany. Fantany fa zava-dratsy izany. Fantany tsara anefa ny tsy fahamarinana nisy tamin’izay fiarahamonina izay ka nanainga azy hiady amin’izany tsy fahamarinana izany.

 

Ny vehivavy hendry dia feno fanetren-tena amin’ny asa atao sy ny teny aloaka ny vava.  Nanolotra izay ananany tamin’ny hitsim-pony i Abigaila mba hiadiana amin’izany tsy fahamarinana izany sy hanonerana fihavanana. Ny dikan’io dia fanarenana ny zavatra tsy nety ary famaliana ny hetaheta mba hampisy fahatoniana. Lavitra azy ny firaisana tsikombakomba amin’izay manao ratsy. Naneho fanetren-tena izy tamin’ny fanolorana izay nananany sy tamin’ny teny naloaky ny vavany, izay tsy nitsahatra niaiky ny fahadisoany. Nahatsara ny fihavanana izany ary niteraka fifampitokisana indray. Feno fahendrena tokoa izany fomba izany. Ny vehivavy menetra ny tenany irery ihany no afaka mampihavana.

 

Tsy miharo fitiavan-tena, na lolom-po, na fanararaotana, na fireharehana, na izay mety ho asa maloto hafa…ny ady atao amin’ ny tsy fahamarinana eo fiarahamonina sy ny firenena fa avy amin’ny fitiavana te hampanjaka ny tsara sy ny mendrika.

Tsy herisetra na fanjakazakana na faneriterena sy fandrahonana na resa-be fotsiny no hitondrana fampihavanana. Fifantohana amin’ny fahavoazan’ny hafa mba hanova ny zava-misy no maika fa tsy ny fanenjehana olona. Misy fahafoizana ilaina ho vidin’ny fihavanana. Anjaran’ny lalàna kosa ny manenjika ny olon-dratsy. Miaro ny fo mba hadio mandrakariva ny olon-kendry. Tsy misy fampihavanana mahomby ivelan’ny fananana fo madio.

Vehivavy feno fahasahiana

Rehefa nahita ny toe-java-misy i Abigaila (hatezerana sy haromotana vokatry ny haratsiam-panahy sy ny tsy fahamarinana), dia tsy nitazana fotsiny fa nanana fahasahiana handray andraikitra hanao izay azony hatao amin’ny toerana misy azy. Tsaroana koa ny tantaran’i Estera vadin’ny mpanjaka (ao amin’ny Baiboly), izay sahy niady ho an’ny ain’ny jiosy mpiray firenena aminy raha nandre fa kasaina haringana avokoa izy ireo (Estera 4…).

 

Mila fahasahiana ny fiadiana ho an’ny marina, sy ny fampihavanana. Kanefa ny tena olo-marina ihany koa no afaka manana izany fahasahiana izany. Voaforona hiankohoka amin’ny fahamarinana isika olombelona. Samy manana ny talenta sy ny toerana nametrahan’Andriamanitra azy avy ny tsirairay : ao ny afaka manolo-tena hanao asa tsara, manolotra fananana, manana feo afaka manambara, mivavaka, manana fahefana…, amin’izany dia afaka hiaina sy haneho ny marina ary hampanjaka ny fihavanana hatrany.

Manosika ny tena hanana fahasahiana hanisy soa azy, ny fitiavana ny mpiara-belona.

 

Tena ratsy ny ady satria miteraka korontana, fahapotehana, fandatsahan-dra, horohoro sy fahantrana. Sambatra ny mpampihavana hoy ny Tenin’Andriamanitra. Manao izay fomba mendrika rehetra hisorohana ny ady sy izay aterak’izany ny mpampihavana. Manolotra mandrakariva ny azony atao izy hanonerana fihavanana.

 

Fandraisana andraikitra avy hatrany

 

Mahita ny fihavanana ho laharam-pahamehana ny olona manana fitiavana te hampihavana. Satria fahapotehana no mandindona ny fiarahamonina ka miezaka mampandefitra ny fainany sy ny tombotsoany manokana na koa ny hambom-pony aloha izy ary mifantoka amin’izay hisian’ny fihavanana. Izay no mahatonga ny olona mahafoy sy manolotra.Tsy mangatak’andro lava ihany koa ka miandry ny ranom-bary ho halohalika fa tanterahina haingana izay tokony hatao amin’ny fotoanany. Toe-tsain’ny olona mpandray andraikitra izany ary ilaina amin’ny fampandrosoana. Antoky ny fampihavanana ny toetra marina sy mahitsy.

 

Ny fandraisana andraikitra ho an’ny olona manam-pitiavana sy tsara sitra-po dia tsy arahana fitarainana sy anaovana fanararaotana satria fanolorana ny avy amin’ny tena aza no tena mampanan-danja azy. Betsaka tokoa ny olona milaza ho manao soa sy mandray andraikitra kanefa miady varotra sy miaro hatrany izay ho tombontsoa manokana ao ambadik’izany.

Misy koa ny sasany izay tsy maintsy manindrahindra mandrakariva ny soa ataony ary mirehareha ny amin’izay vitany. Raha toa ka tsy mba deraina izy amin’izany dia mihena ny fahavitrihany hanao soa. Ny fanaovan-tsoa dia toe-po marina miainga ao anaty tsy voatohintohin’ny ety ivelany.

 

Ny olona be resaka dia tsy mahavita na inona na inona fa lany andro amin’ny fandaharan-teny sy ny fahaizana maneho hevitra fotsiny. Tsy mahasoa ny resa-be fa ny asa tsara tanterahina na dia manomboka amin’ny zavatra kely aza no tena ilaina. Raha tiana hisy ny fampandrosoana haingana dia atao fohy ny resaka (fitsikerana, fanenjehana, fanaratsiana, fampanantenana, fanandratan-tena, fitseran-tena sns…) fa atao betsaka ny asa tsara. Ny olona manana fitiavana marina dia hita taratra amin’ny finiavany manao asa tsara hampandroso nefa tsy misy kajikajy tombontsoa manokana. Tsara avahana tanteraka ny fanaovan-tsoa sy ny fitadiavana tombontsoa. Toerana roa samy hafa ny fanaovana izany.

 

Toetra ratsy mila ovaina

 

Na dia tsara tarehy sy tsara bika aza ny vehivavy, rehefa ratsy toetra izy dia ratsy ihany. Ireto misy toetra maharatsy ny vehivavy:

Mahay vava – Ny vehivavy mahay vava dia ireo izay tsy mitsitsy teny havoaka, mpanambany olona sy mpanevateva olona raha vao misy zavatra mitranga, tsy manana fahaiza-miaina loatra, mety hivoaka hatramin’ny teny maloto, manana lantom-peo tena avo sy miavona ary tena mahay mampietry olona amin’ny teny aloaky ny vavany. Raha te hiady dia izy no atao lohalaharana hamono lolo. Rehefa miteny izy dia mitampim-bava ny olona kanefa ataon’ny olona fihomehezana any ambadika izy. Azy irery ny fitenenana fa tsy misy mahaleo azy, ary tsy azo ampanginina. Lazain’ny olona hoe akoho vavy maneno izy.

 

Tia ady – Mihevi-tena ho manana ny marina tanteraka ka tsy afaka ny hilefitra fa manandra-tena ary manao tsinontsinona ny manodidina azy amin’ny teny aloaky ny vavany. Tsy ahoany loatra ny fihavanana fa tia miady aman’olona mandrakariva. Raha vao misy zavatra tsy araka ny sitra-pony dia manangana ady ary tia mifamaly. Mahafinaritra azy ny mamaly ratsy olona, ary izany no fandreseny ka ireharehany. Lavitra azy ny fandeferana sy ny fanginana fa tsy maintsy mitabataba foana izy. Na dia zavatra kely aza no hitany dia hitariny sy ilany vanina mandrakariva. Tsy manaiky izy raha tsy misongadina amin’ny tiany hatao.

 

Mpandranitra ady- Ny vehivavy mpandranitra ady dia tia miresaka olona sy mampitampita resaka. Tia manatsikafona sy miampanga olona amin’ny zavatra tsy fantany akory. Tia manonontonona anaran’olona hanalana baraka olona. Mora ampirisihina hanetsika ady. Izy tsy miditra an-tsehatra mivantana hiady fa matahotra ihany kanefa tena mahay miteny  handranitany ny olona hamely olona. Sady fetsy no mpanararaotra ny olona mpandranitra ady kanefa kanosa ihany koa. Tiany ny miaraka amin’ny olona mahay vava sy tia ady mba ahatongavany amin’ny tanjona kendreny dia ny fanimbana sy famotehana ny hafa.

 

Afaka ny hiala amin’ireo toetra ratsy ireo hianao vehivavy raha misafidy hanao ny tsara satria nohariana ho tsara hianao hatrany am-boalohany. Tsy mahay manova ny tenanao anefa hianao fa mila ny herin’Andriamanitra hanavao anao. Atolory an’i Jesoa ny fonao ratsy mba hanjakany ka havaoziny ho fo vaovao mahay manao ny tsara dia ho sambatra hianao.

 

Ry vehivavy Malagasy, vehivavy Mpitarika, vehivavy Kristianina, ary ny Renim-pianakaviana rehetra, afaka ho tonga vehivavy mpampihavana tahaka an’i Abigaila hianao ho fampandrosoana ny firenena, ny fiarahamonina, ny fiangonana, ny ankohonana. Araraoty ny andro azo anaovan-tsoa fa mandalo izao fiainana izao. Aoka tsy ho variana ihany hiady ny tombontsoanao manokana na hifaly amin’ny toerana misy anao na  hanao izay hahatsaratsara ny ivelany, fa aoka handeha amin’ny tahotra marina an’Andriamanitra amin’ny ataonao rehetra. Ny teny aloaky ny vava sy ny fihetsiky ny vehivavy tsy ampy fahendrena dia manala voninahitra azy. Izany fahamarinana izany no entina irariana soa ho an’ny vehivavy rehetra amin’izao ankatoky ny Fetin’ny Reny izao.

Mirary Fety Sambatra ho an’ny Reny rehetra!!!

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre