Vous êtes ici :

Dimanche 28 Avril 2024

ombre

Amparafaravola – Nifampitana ny fokonolona sy ny miaramila

Raikitra ny fifandonana teo amin’ny fokonolona sy ny miaramila, tany Amparafaravola. Fisavana tranon’olona iray tany an-toerana no fantatra fa nahatonga ny sakoroka, ny fiandohan’ny herinandro teo. Araka ny vaovao voaray, nahazo iraka hanao fisavana ny tranon’olona iray any amin’ny tanànan’Ampitsarana, kaominina Andrebakely, ny miaramila. Tsy nanaiky izany anefa ireto hosavaina, ka teo no niandohan’ny disadisa. Niafara tamin’ny fifamaliana teo amin’ny roa tonta mantsy ny raharaha ary tsy nijanona teo fa tonga hatramin’ny fifampikasihan-tanana mihitsy. Tsy izany ihany fa mbola nalain’ireo olona ihany koa ny fitaovam-piadiana teny aminy. Tratran’ny be no ho vitsy ka nampiantso ireo namany mba hanampy azy ilay miaramila fa vao mainka aza nihamafy ny fifandonana. Vokany, olona roa naratra, iray avy amin’ny fokonolona raha toa ka kapôraly ny faharoa. Olona efatra ihany koa no voasambotra. Tafaverina amin’ny tompony kosa ilay fitaovam-piadiana.

 

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre