Vous êtes ici :

Samedi 11 Mai 2024

ombre

Analakely – Sinoa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Raikitra ny sakoroka teo amin’ireo mpivarotra amoron-dalana sy teratany Sinoa iray, omaly antoandro. Fiara 4×4 nentin’ilay Sinoa nandona olona teny Analakely, tokony ho tamin’ny 2ora sy sasany no niandohan’ny disadisa. Mamo tampina ilay nitondra fiara ka tsy nahatana ny familiana intsony ary nifaoka ireo mpivarotra balôma, araka ny filazan’ireo mpivarotra. Olona telo mianadahy no naratra voafaoka. Saika tsy handray ny andraikiny izy fa ny handositra hitondra ny fiarany. Tsy nandingana lavitra akory anefa ranamana dia tratran’ireo mpivarotra ka tsy afaka nihetsika intsony. Nosokafan’izy ireo ny varavaran’ny fiara ary nosintomin’izy ireo avy ao anatiny ilay mpamily ka daroka sy vono avy hatrany no nitsena azy. Soa fa tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana fa raha tsy izany dia ratsy ny nahazo ilay mpamily mamo. Notazomina eny amin’ny foiben’ny polisy Tsaralalana izy mba hiarovana ny ainy.

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre