Vous êtes ici :

Dimanche 28 Avril 2024

ombre

Fanafihana sinoa tany Mahajanga – Nanjavona ny volamena sy vola 4 tapitrisa ariary

Valo lahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no niditra an-keriny tao amin’ny tokantranon’ny teratany Sinoa iray, tao Betamanga, any Mahajanga. Ny alatsinainy lasa teo, tokony ho tamin’ny 7ora hariva no nitranga ny fanafihana. Ny roalahy nilanja basy kalachnikov raha toa ka basy poleta ny an’ireo enina ambiny. Nanambana basy ny mpiambina avy hatrany ireo jiolahy ka tsy sahy nanohitra iry voalohany satria natahotra ny ho faty. Niditra tao amin’ny efitra ambany izy ireo rehefa tafiditra tao an-trano. Nisava izay mety harapaka tao saingy tsy nahita na inona na inona. Tsy nionona tamin’izao anefa izy ireo fa nanohy ny fisavana tany amin’ny efitra faharoa. Tamin’izay no nahalasa ny volamena sy ny lelavola 4 tapitrisa ariary. Teo anatrehan’izany, tsy nanaiky lembenana ilay Sinoa tompon-trano fa nanapoaka basy ihany koa mba hampitahorana ireo mpangalatra ka raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Tamin’izay fotoana izay no nandositra niala ny trano ireo jiolahy ka olona iray sendra nandalo no niantefan’ny balan’izy ireo, izay voa teo amin’ny feny. Ireo mpanafika kosa tafaporitsaka.

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre