Fanamafisana ny fahaiza-manao – Nomena fiofanana ny mpanao asa tanana any Analanjirofo
Araka ny fampanantenana nataon’ny lehiben’ny faritra Analanjirofo, Ramaroson Jacques, volana vitsy lasa izay dia tonga any amin’iny faritra iny ny mpanao asa tanana avy atsy amin’ny Nosy Maorisy hampiofana ireo mpikarakara izany any an-toerana. Hitsidika ireo distrika enina mandrafitra ny faritra i Paul izay solontenan’ireo mpampiofana. Hitety ireo kaominina mihitsy ny tenany mba hitondra izay traikefa ananany homena ireo mponina mpanao izany asa izany sy hanamafisana ny fahaiza-manao, izay efa ao amin’ny tsirairay. Ny asa rary mifototra amin ‘ireo akora fototra misy any an-toerana no tena hifotorana amin’izany. Tsy mijanona amin’ny fampiofanana ihany anefa fa horaisin’ireo mpanangom-bokatra Maorisianina avy eo ny vokatra. Marihina fa anisan’ireo firenena any ivelany manafatra ny vokatra vita Malagasy ity Nosy ity, noho ny hamaroan’ny mpizahan-tany mitsidika azy, izay tena liana tokoa amin’ny asa tanana avy aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Hampisokatra an’i Madagasikara amin’ny firenena rehetra ihany koa ny fisian’ity fiofanana omena ireo mpanao asa tanana any Analanjirofo ity.
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







