Vous êtes ici :

Samedi 04 Mai 2024

ombre

Asan-dahalo – Olona iray maty tamin’ny fifampitifirana

Mafy ny fifandonana teo amin’ny fokonolona sy ireo dahalo, ny 26 may lasa teo, tany amin’ny distrikan’Ambato Boeny . Vokany, lehilahy iray avy amin’ny mpanara-dia no namoy ny ainy voan’ny balan’ireo malaso. Fanafihana niseho tany amin’ny fokontany Andavadreny, kaominina Ambondromamy no fantatra fa niantombohan’ny fifampitifirana. Dahalo efa-dahy nirongo basim-borona iray sy zava-maranitra no tonga nandroba omby 11 isa, tao amin’io toerana io, tokony ho tamin’ny 11ora alina. Tsy nanaiky ny fanafihana fa nanohitra avy hatrany ireo fokonolona. Raikitra tamin’izay ny fifandonana teo amin’ny roa tonta ka olona iray no maty tsy tra-drano. Tsy nahasakana ireo mponina tsy hanohitra anefa io fahafatesan’ny namany io fa vao mainka aza nanome hery azy ireo hiady amin’ireo olon-dratsy. Raikitra noho izany ny fanarahan-dia ka naleon’ireo dahalo nandositra namela ireo omby raha vao nahatazana azy ireo. Tafaverina any amin’ny tompony avokoa ireo omby. Ilay namoy ny ainy kosa natolotra ny fianakaviana taorian’ny fitsirihina natao.

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre