Vous êtes ici :

Lundi 20 Mai 2024

ombre

Sefo fokontany nangalatra lavanila – Voakapa famaky teo amin’ny handriny

Sefo fokontany teo aloha no naratra mafy voakapa famaky tratra tao anaty saha lavanila. Ny alarobia lasa teo no nisehoan’izany tany Analampotsy, kaominina Andratamarina, distrikan’i Sambava, tamin’ny 7ora hariva. Nikasa hangalatra lavanila izy tamin’io fotoana io no tratran’ny tompony sendra nanao fisafoana. Taitra ingahy sefo fokontany vao nahatazana ny fahatongavan’ny tompon’entana ka niezaka nandositra saingy tapi-dalan-kaleha  rehefa tonga  teo aloha. Ny hany heriny sisa dia ny hamaly ka hitetika famaky ny tompon’ny lavanila fa ny an’ity farany no lasa aloha ary niantefa tamin’ny handriny. Lavo tamin’ny tany izy avy eo.

Lasa nampandre ny andrimasom-pokonolona ilay tompom-bokatra. Ilay mpangalatra kosa mbola tafatsangana ka nanararaotra nandositra satria menatra ny fokonolona. Noho ny ratra nahazo azy anefa dia voatery nanatona ny toeram-pitsaboana Csb2 ihany izy saingy nandainga rehefa nanontaniana izay nahazo azy. Araka ny filazany tamin’ny mpitsabo dia nisy nanafika izy nandritra ny fiambenana ny sahan’ny lavanila. Noho ny hamafin’ny ratra nahazo azy anefa dia nalefa any amin’ny hopitaly Besopaka Sambava izy mitsabo tena. Ny zoma teo kosa no nametraka fitarainana teny amin’ny mpitandro filaminana ny tompon’ny lavanila.

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre