Vous êtes ici :

Vendredi 10 Mai 2024

ombre

Miandrivazo – Telopolo lahy nanafika ny tanànan’Anosimena

Mitohy ny fandrobana ataon’ireo dahalo any amin’ny distrakan’i Miandrivazo. Telopolo lahy nirongo basim-borona 25 isa sy nilanja zava-maranitra no nandravarava tany amin’ny fokontany sy kaominina Anosimena, ny  26 may lasa teo,  tamin’ny 11ora alina. Tifitra vary raraka no nentin’ireo malaso nanatanteraka ny asa ratsiny hampatahorana ireo lasibatra tsy hanohitra. Tsy nisy sahy nivoaka tokoa ireo fokonolona ka nalalaka ireo olon-dratsy nandroba ny omby miisa 11 tao am-bala. Efa lasa lavitra ireto farany nanesy ireo biby fiompy vao nivoaka tsirairay avy tany an-tranony ireo fokonolona nandinika ny paik’ady tokony hatao. Tapaka tamin’izany ny hevitra fa hanatanteraka fanarahan-dia avy hatrany ireo vatan-dehilahy matanjaka ny sasany kosa  nampandre ny mpitandro filaminana. Nidina teny amin’ny toerana voatafika ireto farany avy eo nanao ny fizahana ary nanaraka ny fokonolona nanao fanarahan-dia taorin’izay. Mitohy ny fikarohana.

 

Voasambotra ilay vehivavy mifankatia amin’ny dahalo

Mbola mahakasika izay asa ratsy ataon’ny dahalo any Miandrivazo izany hatrany dia vehivavy iray mifankatia amin’ny dahalo no voasambotra, tany Morarano, ny zoma lasa teo. Fanomezam-baovao avy amin’ny olon-tsotra no nahafahana nisambotra azy. Nidina teny amin’ny trano fonenany avy hatrany ny mpitandro filaminana rehefa nahazo vaovao marim-pototra nanao ny fisavana. Sarona tao an-tranony nandritra izany ny basy kalachnikov sy basy poleta vita gasy, moara ary pilplan. Rehefa nohadihadiana mahakasika ny fisian’ireo fitaovam-piadiana sy ody gasy ireo ilay vehivavy dia tsy nilaza ny marina. Noentina avy hatrany namonjy ny borigady any Miandrivazo izy hatao fanadihadiana lalina kokoa. Tamin’izay fotoana izay no nilazany fa mifankatia amin’ireo dahalo izy ary niaiky izy fa azy ireo ny fitaovana tratra. Ireo malaso ireo izay malaza ratsy amin’ny fanafihana sy fandorana trano. Efa tsy misy tsy miaiky amin’ny habibiana vitan’izy ireo ny mponina any Ampanihy, Morarano, Mamotsatanana sy ny manodidina. Voarohirohy ho mpiray tsikombakomba ka  notazomina avy hatrany ilay vehivavy.

L.N

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre