Vous êtes ici :

Samedi 04 Mai 2024

ombre

Toamasina – Mpangarom-paosy torana nodarohan’ny fokonolona

Mandravarava indray ireo mpanendaka sy mpangarom-paosy any amin’iny tapany Atsinanana iny amin’izao fotoana izao. Tsy mandroba fotsiny amin’izao anefa fa mampiasa hazo be ihany koa ry zalahy sady mandeha andiany maromaro. Tsy mifidy zavatra alaina ihany koa fa hatramin’ny kodiaran-droa aza, ripaka avokoa, indrindra raha mandeha irery ny olona mamily izany. Toy ny nahazo ny tovolahy iray, ny sabotsy alina lasa teo, tany amin’ny fokontany Mangarano, any Toamasina. Sendra nandalo tamin’iny lalana misy ny tobin-tsolika Jovenna iny ny tenany no nosakanan’ireo lehilahy roa mitazona hazo be teny ampovoan-dalana saika handrava ny môtô nentiny. Kinga ilay tovolahy ka mbola afaka nilefa.

Mifanohitra amin’izay indray dia mpangarom-paosy iray no torana tsy nahatsiaro tena, niharan’ny fitsaram-bahoaka,  ny sabotsy antoandro, tamin’ny 12ora, mbola tany Toamasina hatrany fa kosa tao amin’ny fokontany Ankirihiry. Tra-tehaky ny fokonolona nandrava olona iray teny bazary manakaiky ny tranon-jiro ny tovolahy iray ka tsy namelan’ny olona mihitsy raha tsy nahazo ny sahaza azy. Naratra mafy ka torana izy ary nojerem-potsiny tsy nisy nanavotra raha tsy ny mpitandro filaminana naka azy teo.

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre