Tapaka hisatra – Kamiao nifatratra teny amin’ny tranon’olona
Trano iray miorina manakaiky ny moron-dalana no nirodana tampoka, vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Teny amin’ny fokontany Mandrimena, kaominina Andoharanofotsy no nitrangan’izany, omaly antoandro, tokony ho tamin’ny 12ora mahery teo. Kamiao iray handeha hihemotra kinanjo tapaka hisatra no nahatonga ny loza, teo amin’ny fiolahana mihazo ny Fiadanamanga. Rava noho izany ny ampahan’ilay trano. Tsy izany ihany fa taksibe iray ho any Ambatofotsy ihany koa no voadona. Simba ihany koa ny vodin’ilay fiara. Nahasorena ireo mpampiasa iny lalana iny ity lozam-pifamoivoizana ity satria niteraka fitohanana. Nisy ireo nivily lalana, tao kosa ireo niverin-dalana mihitsy ka voatery niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana nandamina ny fifamoivoizana.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







