Vous êtes ici :

Dimanche 05 Mai 2024

ombre

Dhl sy Spah – Fanaovan-tsonia ho fiarovana ny tontolo iainana

Ho fiarovana ny tontolo iainana dia nohamafisina tao anatin’ny fanaovan-tsonia ny fiara-miasa eo amin’ny orinasa Dhl sy Spah. Ity farany izay mpamokatra taratasy amin’ny alalan’ny akora fototra ary manamboatra ireny “papier toilette” sy “mouchoir à jeté” mitondra ny marika « Lys » ireny. Mifototra amin’izay indrindra ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Ny tanjon’ny orinasa Spah dia ny  hampiasana ny taratasy eto Madagasikara mba hialana amin’ny fanafarana any ivelany ary ihany koa ny hampihenana ny fako, indrindra eto an-drenivohitra amin’ny alalan’ny fanangonana ireo taratasy tsy ilainy intsony.

Ho fanajana ny tontolo iainana izay dia ny orinasa Dhl irery no nanaiky hiara-hiasa aminy. Noho izany dia ny taratasy rehetra tokony harian’ny Dhl dia alainy ary ahodina hamokarana vokatra vaovao, ohatra, ny “papier toilette”. Araka ny tatitra voaray, mahatratra 32 taonina isan-taona ny taratasy arian’ny orinasa Dhl izay mitovy isa amin’ny 440 hazo. « Amin’ny maha orinasa miaro ny tontolo iainana ny Dhl dia mitondra ny anjara birikinay izahay satria tsy tokony ariana ireo fako fa kosa ahodina ho lasa vokatra vaovao mba hidirana amin’ny « économie linéaire » », hoy ny tale jeneralin’ny Dhl, Rakotondraibe Mamy.

Ho fanabeazana ny olona tsy hanary fako ihany koa izy io fa kosa hahay hanodina izany satria be dia be ireo fako mbola azo avadika. Fantatra mantsy ny 10 isan-jaton’ny fako eto Antananarivo dia taratasy avokoa. Amin’ireo fako 20 000 taonina dia 2 000 amin’izany dia taratasy. “Ny orinasa Spah dia niforina tamin’ny taona 2011. Izy dia orinasa iray mamokatra fa tsy manafatra ary mividy taratasy amin’ny kilao. Izay antony izay no nahatonga anay hiara-hiasa amin’ny orinasa Dhl noho izy manana taratasy be dia be izay ho dorana fotsiny nefa mbola afaka ahodina tsara satria 2 000 taonina isan-taona izao ny taratasy ilainay nefa ny Dhl mamokatra 32 taonina isan-taona”, hoy Rajaonary Nirina, tale jeneralin’ny Spah.

 

L.N 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre