Andohatapenaka – Miakatra ao anaty fiara mihitsy ireo mpangalatra
Tsy misy tahotra sy henatra intsony fa miakatra ao anaty fiara mihitsy ireo mpangalatra amin’izao fotoana izao, mitady izay harapany. Vao omaly maraina, fiara marika Nissan Pick up no lasibatra ny mpanendaka, teny Andohatapenaka. Tamin’io fotoana io dia tovolahy iray no tsikaritra ny mpandeha tao anaty taksibe iray hihazo ny renivohitra, niakatra tao aorian’ilay fiara ka naka izay azony bataina tao. Araka ny fahitana azy dia “boîte à outil” no lasa. Efa misarona labasy ihany ireo entana fa mbola nahitan’ilay mpangalatra hirika hatrany. Ny mpandeha tao anaty taksibe izay mba niteny ny mpamily ihany mba hanaitra sy hampandre ny tompony fiara lasibatra teo aloha saingy tsy sahy sao iharan’ny valy fatin’ireo jiolahy satria iny no lalana isan’andro. Raha ny fijery ny toe-javatra teny an-toerana ihany koa dia tsy olona iray no nangalatra fa efa-dahy eo izy ireo fa manara-maso ny manodidina ny ambiny. Tsy nisy afaka nanao na inona na inona, noho izany na ny mpamily na ireo mpandeha fa nitazam-potsiny. Tokony ho mailo hatrany ireo tompon’ny fiara fa tsy kely lalana ireo mpanao ratsy.
L.N
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







