Vous êtes ici :

Samedi 04 Mai 2024

ombre

Fitsaram-bahoaka – Mariky ny tany tsy tan-dalàna

Mila hampiteny ny moana ny tsy fanarahan-dalàna eto Madagasikara. Manjaka ny kolikoly, izay miteraka ny tsy fifanajana sy ny tsy fifampitokisana eo amin’ny tsirairay satria samy manao izay saim-pantany ny olona. Potika ny hasin’ny fiarahamonina ka miafara amin’ny fitsaram-bahoaka. Ireo mpitondra, ny fitsarana ary ny mpitandro filaminana natao hiaro ny vahoaka mantsy tsy atokisan’ny olona intsony.

 

Manjaka ny fitsaram-bahoaka

Mahazo vahana tsy misy ohatra izany ny fitsaram-bahoaka eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Saika ho isaka ny herinandro mba tsy hilazana hoe mila ho isan’andro dia misy olona maty foana vokatr’izany.Manerana ny nosy : faritra, distrika, kaominina, fokontany dia ahenoana izany hatrany ary matetika dia mamoy ny ainy ireo iharany satria tsy mamela mahazo mihitsy ireo fokonolona. Ireto farany koa tsy mifidy zavatra hamonoana intsony fa na halatra akoho kely aza dia efa ampiharana izany famaizana mihatra aman’aina izany satria efa leo tanteraka ny tsy maty manota ataon’ireo izay lazaina fa ho olon-dratsy ireo. Io no hany sisa vahaolana hitan’izy ireo fa hampitandremana ireo jiolahy izay mbola mitady ny hanatanteraka ny asa ratsiny mba tsy hisian’ny fahasahiana hangalatra intsony. Raha tsy maty kosa dia efa ho latsak’aina sisa vao avelan’ny mponina. Tranga iray farany izao ilay niseho tany Toamasina ny sabotsy 28 may lasa teo. Tovolahy iray vao erotrerony no tra-tehaky ny olona nandroba mpiantsena tao Bazary Ankirihiry tamin’io fotoana io ka nodarohan’ny fokonolona tsy nananany antra mihitsy. Torana tsy nahatsiaro tena ilay olon-dratsy tamin’io fotoana io saingy nojerena fotsiny sisa satria efa ny mpitandro filaminana nigadona teo an-toerana no nitondra azy tany amin’ny hopitaly.

 

 

Mahantra ny Malagasy

Tonga amin’ilay fitenenana hoe : « an-tampon’ny samy reraka » ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Izany hoe : samy manao izay hahavelona sy hahafalifaly azy ny rehetra. Porofo iray mivaingana izay manamarika fa mahantra isika, izao tsy fandriam-pahalemana iainan’ny Malagasy izao, izay anisan’ny mampirongatra ny fitsaram-bahoaka. Tsy misy asa na famoronana asa ho an’ireo tanora vao mahavita fianarana eto Madagasikara. Na ireo efa teo amin’izany sehatra ny asa izany aza lasa tsy misy asa tampoka noho ny fikantonan’ireo orinasa maro be. Antony! tsy mihodina araka ny tokony ho izy ny orinasa ka miteraka fanirian-dratsy ao amin’ny tsirairay. Lasa manao izay saim-pantany ny rehetra amin’izay fomba mety hahitany vola ka lasa mangalatra sy manafika tokantrano, tranombarotra sns ny olona sasany. Henjana ny fahantrana ka tena maniraka hanaotao foana ka hatramin’ny mpitandro filaminana aza manafika avokoa. Raha tsiahivina, polisy miasa ao amin’ny boriborintany faha-2 any Toamasina no tratra nangalatra ary sarona tao an-dakozian’ny tompon-trano, ny zoma 27 may lasa teo. Tsy namelan’ny fokonolona fa nampiharana ny fitsaram-bahoaka avy hatrany ihany koa mandra-pahatongan’ny zandary naka azy.

 

Mpitandro filaminana tsy maharo ny vahoaka sy ny fananany

Tsy mbola nisy tahaka ity mihitsy teo amin’ny tantaran’ny firenena Malagasy. Hatramin’izay nisian’ity fitondrana ity no tena tsikaritra izany fomba fitsarana izany, noho ny tsy fahatokisan’ny olona ireo mpitondra sy mpitandro filaminana intsony. Miaina anaty horohoro tanteraka ny vahoaka satria tsy maharo azy sy ny fananany intsony ireo tompon’andraikitra amin’izany. Mifanohitra amin’ny tokony ho izy ny zava-misy satria ny mpitandro filaminana indray no miaro ireo olon-dratsy. Vokany, manao izay danin’ny kibony ny malaso mandroba ireo fokonolona. Tranga iray izay manamarika ny maha tany tsy tan-dalàna an’i Madagasikara izany.

49% tratran’ny kolikoly

Tany sy fanjakana tan-dalàna. Fanambin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao io. Mby aiza ? Hatramin’izao dia mampahatsiahy izany hatrany ireo mpamatsy vola satria anisan’ny fepetra takiany ny hoe : « tany sy fanjakana tan-dalàna ».  Anisan’ny tsy manaja izany voalohany anefa ny mpampihatra lalàna raha ny eto Madagasikara no asian-teny. Eny, mbola tsy afa-bela amin’ny kolikoly tokoa ny fitsarana. Raha araka ny fanadihadian’ny Afrobaromètre, oktobra 2015, izay nilaza fa ny 49% ny Malagasy dia tratran’ny kolikolin’ny polisy sy zandary avokoa. Izy ireo ihany koa izay mbola mahazo laharana voalohany amin’ny fahazoana fitarainana noho ny fanaovana izany asa ratsy izany, raha araka ny tatitry ny Bianco hatrany. Noho izany indrindra dia lasa tsy manana fahatokisana ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana intsony ny vahoaka  ka mahazo vahana hatrany ny fitsaram-bahoaka. Tokony mba hampianatra ny vahoaka hanao fiarovan-tena araka izany ireo miaramila izay andoavana volam-bahoaka.

 

 

Mitaky finiavana

Sarotra ny hifanome tsiny sy ny hanontany hoe : iza no fositra satria zava-misy iainana mihitsy no mahatonga ny rehetra tsy hanara-dalàna. Tsy vita fotsiny amin’izao ny fametrahana izany tany tan-dalàna izany raha mbola miaina ao anaty fahantrana ny vahoaka Malagasy. Mitaky finiavana hentitra ny fivoahana amin’ny fahantrana lalina izay iainan’ny Malagasy ankehitriny. Ilaina fandraisana andraikitra sy asa ao anaty  fahatoniana izany. Eo ny ady amin’ny kolikoly, ny rafi-pitsarana mahaleo tena, ny fitoniana ara-toekarena, ny tany tan-dalàna sy ny fametrahana ny demokrasia. Ny fampandrosoana ny firenena amin’ny alalan’ny fampakarana ny sandan’ny ariary sy ny fari-piainan’ny mponina ary ny fampidinana ny vidim-piainana ihany no antoka lehibe handresena lahatra ny vahoaka hanara-dalàna sy hametrahana ny tany tan-dalàna.  Mbola sarotra ihany anefa ny hanatanterahana izany amin’izao vanim-potoana izao satria ireo mpitondra natao ho modely aza ity toa tsy mifampatoky sy mifampiahiahy nefa raha tanteraka ireo dia ho foana izao tsy fandriam-pahalemana lalina izao ka ho foana manaraka izany ny fitsaram-bahoaka.

 

Laurena Nany

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre