Mifanipaka ny lalana hanavotana ny firenena !
Sarotra ny toe-draharaha ary mbola maizina ny hoavin’i Madagasikara! Mifanipaka tanteraka mantsy ny foto-kevitra sy ny vinavina heverin’ireo tia tanindrazana sy manam-pahaizana hanavotana ity firenena ity. Andaniny ny mpitondra dia mahita fa ny fanohizana hatramin’ny farany ny asa efa natomboka no vahaolana. Izany hoe efa mahatsapa izay ireo fa efa eny antenantenany izao ny fahavitan’ny asa ka mila miandry kely mba hahafahana mioty ny vokatra efa nantenaina. Noporofoin’ny Fitondram-panjakana omaly fa efa misy asa betsaka mandeha mangingina any ambadimbadika any fa miandry ny fahavitany vao anaovana fampahafantarana makotrokotroka. Fetsy ary tsy niroboka tamin’ny fandriky ny fifamaliana ambony kabary ny filoham-pirenena fa naleony ny asa vita no narososoro mba hampanginana ireo mpanenjika azy.
Ankilany ihany koa dia manomboka maty momoka ireo fitokonana lavareny nifanesinesy tetsy sy teroa. Manomboka miverina miasa tsikelikely no sady mangingina avokoa ireo sendika nampiaka-peo sy bevava tao anatin’ny herinandro maromaro izay. Na ny fitrandraham-baovao any amin’izy ireo aza toa manahirana satria lasa miavonavona sy tsy ahitan-teny ary karazan’ny mandositra ny mpanao gazety mihitsy ny ankamaroan’ny sendika. Tsy araka ny fampanantenana sy ny vava be fa jhanao fitokonana faobe ary tsy maintsy hanao izay hialan’ny mpitondra fa dia matimaty ny afom-pitolomana ary mipirimpirina any ambadika any ireo niseho ho mahery fo. Efa fomba mahazatra teto amin’ny firenena ny toy izany satria maro ireo mody mampiaka-peo, avy eo mangina tanteraka. Tsy mahagaga raha lazain’ny vahoaka fa nahazo volabe tany ambadika tany dia lasa mamono afo.
Ankoatra izany dia tsy re feo firy ihany koa ireo mpanao politika, izay noheverina fa tsy mankatoa ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Karazan’ny niara-nipoitra sy namporisika ny vahoaka sy ny mpiasa hitroatra fotsiny izy ireo dia niara-nilentika sy nangina. Tsy fantatra intsony na nahazo patsa indray mahandro tany ambadika tany na ihany koa matahotra ny fihetsiky ny mpitondra fanjakana izay karazan’ny manao ramatahora amin’ny fisavana trano sy fanenjehana ankolaka ireo tsy mitovy hevitra aminy. Kanosa ihany ireny mpanao politika ireny raha izany no zava-misy satria miseho ho sahy nefa rehefa sendra ny mafy dia mifori-drambo tsy misy mahasahy mihetsika.
Raha ampitahaina ny tamin’ny herinandro ny toe-draharaha politika amin’ity herinandro ity dia tsy misy tohiny lojika mihitsy satria toa milamindamina sy mifampihainohaino fotsiny ny rehetra. Na ny Filoham-pirenena aza dia lasa nanao fitetezam-paritra avy hatrany fa tsy nijanona tao amin’ny biraony nandamina ny fomba hitantanana ny mety hisian’ny krizy.
Raha ny fomba fanaon’ny mpanao politika dia inoana fa misy fifanantonana mangingina any ambadika any fa tsy ampahafantarina ny vahoaka. Rariny sy hitsiny izany ho an’ny fitondram-panjakana izay mikatsaka ny fomba rehetra hisorohana ny mety hisian’ny krizy ka miantso ireo mpanenjika azy mba hifampidinika sy hifandamina satria zava-doza no hitranga eto amin’ny firenena raha toa ka tafalatsaka ao anatin’ny lojikan’ny fifandonana.
Karazan’ny namadika ny vahoaka ihany anefa ireo mpitaky fitokonana sy mpitaky ny fialan’ny mpitondra ary mitaky ny fifidianana filoham-pirenena mialohan’ny fotoana raha toa ka manaiky ny fifandaminana mangingina amin’ny mpitondra any ambadika any satria toa lasa manao tohatra fiakarana ny fahoriam-bahoaka fotsiny.
Rehefa tena zohina tokoa mantsy, amin’ny saina tsy miangatra dia anisan’ny fositra mampijaly ny vahoaka ireo mpiasam-panjakana izay sady manao kitoatoa ny asany no tsy miafina amin’ny resaka kolikoly ihany koa. Rehefa mikatso ny fitsarana satria mitokona ny mpiraki-draharaha sy ny mpiandry fonja dia ny vahoaka madinika no voa fa tsy ny mpitondra Fanjakana velively. Manao fitokonana lavareny ny mpiasan’ny Air Madagascar dia ny orinasam-panjakana no potika fa tsy ny orinasan’ny mpitondra. Rehefa manao gafigafy any ambadika any ny mpiasan’ny Jirama dia ny vahoaka no mizaka ny delestazy amin’ny fiakaran’ny vidin’ny faktiora fa tsy ny mpikambana ao amin’ny Governemanta. Samy manana ny fomba heveriny hampandrosoana ny firenena tokoa angamba. Ny an’ny mpiasam-panjakana dia ny hanao takalon’aina ny vahoaka sy hamotika ny orinasam-panjakana no mahamaika. Ny mpitondra kosa dia ny hitazona ny sezany!
Ravalo tsy Manana
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







