Vono olona – Vehivavy roa maty nisy namono
Maloka tanteraka ny faran’ny herinandro lasa teo, ho an’ny fianakaviana mana-manjo, tany amin’ny distrikan’i Miandrivazo. Renim-pianakaviana roa no namoy ny ainy vokatry ny hetraketraky ny olona akaiky azy ireo. Tany amin’ny kaominina Antsihabesalohy no niseho ny famonoana voalohany, ny 27 may. Vehivavy lehibe iray no fantatra fa novonoin’ny zafikeliny. Tsy fantatra ny antony fa notrobahan’ilay tovolahy ny antsy ny am-bavafony ka maty tsy tra-drano. Nandositra avy hatrany izy taorian’ny habibiana vitany saingy tratran’ny zandary ihany.
Vehivavy iray hafa 40 taona kosa no maty novonoin’ny vadiny, tany amin’ny fokontany Amboditsara, kaominina Antanandava, ny alahady 29 may lasa teo. Teo am-pijinjana vary izy no niseho ny loza. Nokapohan’ny vadiny ny vato be ny lohany tamin’io fotoana io ka torana tsy nahatsiaro tena izy ary nitarika tamin’ny fahafatesany izany. Marihina fa tsy salama saina io lehilahy vadiny io.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







