Tsy fandraisana andraikitra – Mitaraina ireo mpitandro filaminana ny mponin’i Toamasina
Aiza ho aiza ny fitandroana ny filaminan’ny vahoaka eto Toamasina? Io no fanontaniana nipetraka ao andohan’ireo mponina any an-toerana nanoloana ny trangam-panafihana nihatra tamin’ny ny olona iray tany an-toerana. Ny alatsinainy alina teo dia nisy namaky ny trano fisoko, tao amin’ny fokontany Analankininina ka lasa tamin’izany ny “poulet de chair” 100 isa. Tsy nisy nahatsikaritra ny fotoana nitrangan’ny fangalarana fa hatramin’ny trano fonenan’ny mpiambina aza nasian’ireo jiolahy “cadenat “avy ety ivelany. Narahina nanaraka ny fiparitahan’ny volon’akoho rehefa avy eo ny lalana nandehanan’izy ireo. Tany amin’ny toerana iray misy olona malaza ratsy ao amin’ny Dépôt Analankininina no nizorany ny dia. Tsy sahy nitsofoka anefa ireo voaroba ka niantso ny zandarimaria. Nilaza anefa ireto farany fa tsy maintsy mandefa olona any amin’ny kazerina manakaiky ny mpamonjy voina haka azy ireo fa miandry fiara. Nony tonga teny indray anefa mbola nalefa tany amin’ny borigady izy ireo handoa ny tambin-karama sy volan’ny taksi ary ny fahana vao miainga. Tsy nitondra vola ilay olona ka niverin-dalana. “Efa tamin’ny 9ora sy 30mn alina tamin’izay ka lasa indray izaho namonjy ny polisy foibe ka nasaina nanao fitoriana miaraka amin’ny adiresy sy anarany fenon’ilay mpangalatra dia eo mahita ny tohiny hoy ilay polisy tao amin’ny varavarana voalohany. Nanontaniako ilay sefo sao tokony hanao fidinana ifotony dia izaho indray no norahonany. Latsaka mihitsy ny ranomasoko tamin’izay fotoana izay satria izaho mitaraina manana zavatra very no toa hamaivanina ny manjo ahy. Angaha moa ny mpitandro filaminana tsy natao hamonjy ny vahoaka raha misy ny mahazo azy? Handositra ihany mantsy ilay mpangalatra sady hotsiponiny ireo volon’akoho niparitaka ireo”, hoy ny lasibatra. Tsy nijanona teo anefa fa lasa indray izy nandeha nametraka fitoriana tany amin’ny polisin’ny boriborintany faha-2 any an-toerana ka rehefa vita ny famotorana dia nasaina nody izy ary niteny ny mpanao famotorana hoe “Raha hitanao mivoaka miaraka amin’ny akoho izy dia antsoy izahay.”
Laurena Nany
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







