Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Andron’ny asa sy fiofanana – Ampihaonana ny tolotra sy ny fangatahana asa

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 31 may ary hifarana anio voalohan’ny volana jona ny “Andron’ny asa sy ny fiofanana andiany faha-8”, natsangan’ny orinasa Mrh, izay iaraha-miasa amin’ny Ong Affami. Mbola olana eto Madagasikara ny fitadiavana asa satria tsy maharaka ny filana ireo mitady asa ny tolotr’asa misy. Na betsaka aza mantsy ireo manam-pahaizana, indrindra  ireo tanora vao nahavita fianarana dia eo amin’ny traikefa no tena lesoka izay tsapa fa tena ambany dia ambany. Io antony io no nahatonga ny Mrh namorona ity andron’ny asa sy ny fiofanana ity, izay indray mandeha ao anatin’ny taona iray. Sehatra iray natao hampihaonana ny tolotr’asa sy ny fangatahana asa eto amin’ny firenena. Mahatratra 30 isa ireo mpandray anjara amin’ity hetsika andiany faha-8 ity ary mananika ny 3000 mahery any ho any ny tolotr’asa omena, raha toa ka tonga hatrany amin’ny arivo mahery ny tolotr’asa omen’ny Mrh amin’ny sehatra rehetra. Mandray anjara amin’ity hetsika ity ireo ministera misahana ny asa sy ny CNaPS. Ity farany izay manome sahady ny zo fototra sy ny fiarovana ara-tsosialy tokony ho sahaza ny tanora.

Politikan’ny fampananan’asa

Ho an’ny ministera kosa indray dia efa misy ny politikan’ny fampananan’asa entina manatsara ny sehatry ny asa eto Madagasikara. Nanomboka tamin’ity taona 2016 ity dia efa niroso amin’ny fametrahana ireo rafitra samihafa hanatsarana ny fampananan’asa ny fanjakana. Tsy mijanonana amin’ny nasionaly ihany izany fa midina any amin’ny rezionaly ihany koa ary hipaka hatrany amin’ny kaominaly raha ilaina. Misy sehatr’asa dimy ihany koa amin’izao fotoana izao no voatsirika, izay hatao laharam-pahamehana satria ireo no tena mpanome asa : ny fizahantany sy ny trano fandraisam-bahiny, “bâtiment et travaux publics”, “textile et habillement”, “nouvelle technologie et de l’information” ary ny fampandrosoana ny ambanivohitra. « Tsy ireo ihany fa misy ny pôlitikam-panjakana eo amin’ny sehatry ny «Immobilier », izay hitarina amin’ny sosialy kokoa mba hahafahana mampiasa tanamaro amin’ny fomba voarindra ara-tsiantifika. Efa nisy ny fianarana natao niaraka tamin’ny Bit mba hananana izay endrika sosialy izay fa tsy ho vonjy tavanandro. Fa ho anisan’ny kosa fitaovana iray manandanja kosa ary azo ampiharina amin’ny fikojakojana isan-karazany »,  hoy Rabearivelo Noelison, tale jeneralin’ny fampiroboroboana ny asa ao amin’ny ministeran’ny Fampananan’asa.

 

L.N

 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre