Vous êtes ici :

Mardi 16 Décembre 2025

ombre

Digue – Mpanendaka nanambana antsy ny iray taksibe

Horohoro ny an’ireo mpandeha taksibe tamin’ny zotra Tana-Ivato, omaly maraina, raha nidiran’ny mpanendaka tampoka tao anatiny. Tsy nisy nahatsikaritra izay nidiran’ilay olon-dratsy tao fa efa ity farany nanambana antsy ny iray taksibe vao taitra avokoa ny olona. Teny amin’ny lalana digy manakaiky ny fivarotana asa Tanana, vita malagasy no nitrangan’izany. Tovolahy iray manao fiakanjo silamo no nitsangana teny aorian’ny mpamily tamin’io fotoana io. Tsy nisy nipetraka teo amin’ny seza am-povoany na irony antsoina hoe “strapontin” irony ka moramora taminy no nitsofaka teny. Araka ny fitantarana avy amin’ny loharanom-baovao, izay anisan’ireo lasibatra dia norahonany hamoaka ny fananany avokoa ireo mpandeha rehetra fa raha tsy izany dia hotrobarany antsy tsirairay avy. Araka izany, terakovitra ny iray taksibe, indrindra ireo renim-pianakaviana sy ny zaza. Vao naheno izany anefa ny mpamily dia nandray andraikitra avy hatrany nanajanona ilay fiara ka nirohotra nivoaka sady nihoraka ilay mpanendaka niteny hoe : “mbola ho azoko ialahy”. Ilay resevera kosa tetsy ankilany tsy sahy nanao fihetsika hafahafa satria natahotra ny hiharan’ny valy faty ka namela ilay mpanao ratsy nivoaka moramora. Soa anefa fa nisy mpitandro filaminana teo akaiky teo nandray an-tanana ny raharaha fa raha tsy izany dia saika loza. Tsy nisy kosa ny naratra.

Laurena Nany 

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre