Vous êtes ici :

Dimanche 21 Décembre 2025

ombre

Sempotra ny mpitolona !

Manomboka rava maina tsikelikely ireo tolon’ny mpiasam-panjakana sy ireo fikambanana maro samihafa izay samy efa niredareda fatratra nandritra iny volana mey lasa iny. Niverina niasa ny mpiandry fonja, toy izany ihany koa ireo mpampianatra ary hanaraka tsy ho ela ireo mpiraki-draharaha ao amin’ny fitsarana. Raha atao bango tokana dia afaka milaza ny fitondram-panjakana fa nahavaha olana satria tsy tonga tany amin’ny fitokonana faobe sy ny fanakambanan-kerin’ireo sendika isan-tsokajiny ny raharaha. Ankoatr’izany anefa dia misy ireo mbola tsy nahazo valiny mahafa-po nefa toa mangingina ny hetsika rehetra. Anisan’ireny ireo mpiasa voaroaka noho ny tolona sendikaly nataony dia ireo avy amin’ny Jirama, ny Air Madagascar, ary ny teo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Karazan’ny nanao sorona ny tenany ihany izy ireny hatreto satria ny nantenaina tsy azo kanefa ny an-tanana votsotra. Tsy azo akory ny valin’ny fitakiana natao nefa ny tena voaroaka sy tsy an’asa ary ny namana nianteherana lasa namonjy ny asa aman-draharahany avokoa. Tena hita nisongadina hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity arak’izany fa sempotra ny mpitolona ho amin’ny fanoherana ny fitondram-panjakana mijoro satria lasa mangahiahy sy tsy mahasarika olona firy intsony. Na dia tsy vitsy aza mantsy ny mimenomenona sy milaza ho sahirana dia toa aleon’ny maro an’isa mifofotra sy manao izay hahasoa ny efa misy, toy izay haka “risika” ho any amin’ny fitokonana izay matetika dia rava maina sy tsy misy vokany akory. Misy mihitsy aza ny mahazo tombotsoa manokana amin’izany faharavan’ny tolona izany, indrindra ireo lehibe. Malemy ny sendika eto amintsika satria tsy mahay miray hina. Tsy ela fa vao tamin’ny voalohan’ny volana mey izay nankalazana ny andron’ny asa dia nampiseho mibaribary fifaninanana sy tsy fifanarahana teo aminy ireo sendika misy eto Madagasikara. Nisy ireo antsoina hoe “Afo sendikaly” izay nanatontosa hetsika lehibe teny amin’ny kianjan’Alarobia ary niantso sy nanasa ireo sendika isan-tsokajiny avy amin’ny sehatra tsy miankina sy ny avy any amin’ny faritany.  Teo ihany koa anefa ireo mitonona ho fivondronamben’ny mpiasam-panjakana izay nanao hetsika teny Anosy. Ankoatra ireo dia nanao ny azy manokana ihany koa ny sendika Sekrima.

Ny tena olana amin’ireo fikambanan’ny mpiasa dia tsy mahay mifanampy fa samy maka ho azy ary samy miaro ny tombontsony manokana ka rehefa misy ny olana izay vao mitady namana. Matoa misy sendika manao hetsika dia  noho ny tombontson’izy samy izy ao ihany fa tsy ho an’ny mpiasa rehetra manerana an’i Madagasikara. Vao tsy ela akory izay ny mpiasan’ny fonja sy ny mpiraki-draharaha ao amin’ny fitsarana no niara-nanao grevy ary tena fitakiana maro samihafa mihitsy no nataon’izy ireo. Toy izany ihany koa ireo inspekteran’ny asa sy ny mpampianatra mpiasam-panjakana izay samy nanao ny fitokonany fa tsy mba nifanohana fa samy mandeha samy mitady, araka ny fitenenana.

Diso paika sy diso tetika ihany ireo mitady hanao fitaovana politika ireo sendikalista satria sarotra ny hitaona azy ireo ho amin’izany. Ny mpitarika fotsiny no mahery fo amin’ny fitakiana ny fialan’ny mpitondra Fanjakana fa ny maro an’isa tsy rototra firy amin’izany. Matahotra rahateo ny ankamaroan’ny mpiasa sao ho ratsy kokoa ny zava-hitranga raha toa ka misy ny krizy ateraky ny fitakiana sy ny fitokonana lavareny.

Ny tsara indrindra ho an’ny mpitarika sendikaly raha toa izy ireo ka tena mitsinjo marina ny zon’ny mpiasa dia mila mifantoka betsaka amin’ny famondronan-kery ho fitakiana zo iraisana mba hampitovy lenta ny mpiasa rehetra tsy an-kanavaka fa tsy miditra lalina amin’ny fitakiana politika tsy hahazoam-bokany. Matoa ny mpiasa malagasy tsy manaiky hirona amin’ny hetsika fitokonana faobe dia tsy matoky ireo mpitarika sendikaly satria mitakosona loatra amin’ny mpanao politika ireto farany.

 

Ravalo tsy Manana

image

Misalovana ny andraikitry ny hafa

Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho

Lire la suite

image

Mais avant tout ça ?

La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40

Lire la suite

image

Fanafihana tao Antanety - Vely famaky no nahazo ilay renim-pianakaviana

Nisehoana fanafihana mahatsiravina tao amin’ny fokontany Antanety ao amin’ny kaominina Ampanotokana ny talata lasa teo. Renim-pianakaviana no nokapain’ireo jiolahy ny famaky.  Toerana anisan’ny anjakan’ny vono olona sy vaky trano raha iny

Lire la suite

ombre