Anosizato Andrefana – Voasambotra ilay mpandrongony 58 taona
Mitohy hatrany ny asa ataon’ireo polisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina mba hanafoanana ireo mpivarotra sy mpifoka rongony. Noho ny fanomezam-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo dia lehilahy iray 58 taona no tratra teo am-pivarotana rongony, ny 31 may lasa teo, teny Anosizato Andrefana. Rehefa nosavaina tany aminy dia mbola nahitana fonosan-drongony miisa 26. Nentina nihazo ny biraon’ny polisy natao famotorana izy ka nandritra izany no nilazany fa sady mifoka izy no mivarotra. Nambarany kosa anefa fa tsy azy ireo rongony amidiny ireo fa mikarama izy ary 5 000 ariary isan’andro ny karamany. Nilaza ihany koa izy fa mahalany fonosan-drongony maherin’ny roapolo isa isan’andro. Mbola vao haingana izy no nivarotra rongony fa efa nanomboka tamin’ny faha-17 taonany kosa izy no nidoroka zava-mahadomelina. Araka ny filazany hatrany dia toy ny tambiviny mihitsy ny rongony.
Misalovana ny andraikitry ny hafa
Anisan’ny fositra tsy mampandroso ny firenena ny fisian’ny sokajin’olona misalovana ny andraikitry ny hafa. Hita misongadina izany eo amin’ny sehatra rehetra. Ny fampahalalam-baovao no anisan’ny lasibatra voalohany amin’izany. Te ho
Mais avant tout ça ?
La découverte d'un nouveau système planétaire par la Nasa fascine le monde scientifique. Sept exoplanètes de taille comparable à la Terre tournent autour d'une petite étoile à près de 40







